Jehovah hiady ho anao fa ianao kosa hangina (Genesisy 14.13-24 - Pasteur Razafiarison Emilien)

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 2 มี.ค. 2024
  • Mana isanandro vokarin'ny Fikambanana Mpiara-mamaky ny Baiboly eto Madagasikara
    JEHOVAH HIADY HO ANAO
    1. Jehovah hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina.
    2. Ny tananao ankavanana, Jehovah ô, efa malaza amin'ny hery; ny tananao ankavanana, Jehovah ô, manorotoro ny fahavalo.
    3. Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana, raha avy izay hahasolafaka ny tongony; fa antomotra ny andro hahitany loza, ary ho avy faingana ny zava-boatendry hanjo azy.
    4. Ry malala, aza mamaly ratsy, fa omeo lalana ny fahatezerana; fa voasoratra hoe: "Ahy ny famaliana; Izaho no hamaly, hoy i Jehovah" (Deo 32.35).
    5. Fa raha hihaino ny feony tokoa ianao ka hanao izay rehetra lazaiko, dia ho fahavalon'ny fahavalonao sy ho rafin'ny rafinao Aho.
    6. Fa na dia ny volon-dohanareo aza dia voaisa avokoa. Koa aza matahotra; fa mihoatra noho ny tsintsina maro ianareo."
    7. Hampandeha ny fahatahorana Ahy eo alohanao Aho ka hampifanaritaka ny firenena rehetra izay alehanao, ary hampiamboho ny fahavalonao rehetra anao Aho.
    8. Tsy handroaka azy eo alohanao amin'ny taona iray Aho, fandrao ho lao ny tany, ka hihamaro hamely anao ny bibidia.Tsikelikely no handroahako azy eo alohanao mandra-pahamaronao ka handova ny tany.
    9. Tsy nisy navelany hampahory azy. Ary nananatra mpanjaka Izy noho ny amin'ireo hoe : Aza manendry ireo voahosotro,ary aza manisy ratsy ireo mpaminaniko.
    10. Fa Izaho momba anao, ary tsy hisy olona hihazona anao hanisy ratsy anao; fa manana olona maro amin'ity tanàna ity Aho.
    11. Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanao amin'ny andro rehetra hiainanao; tahaka ny nombako an'i Mosesy no hombako anao koa; tsy handao anao na hahafoy anao Aho.
    12. "Indro, Izaho maniraka Anjely eo alohanao hiaro anao any an-dalana sy hitondra anao ho any amin'ny fitoerana izay namboariko.
    13. Ny Anjelin'i Jehovah mitoby manodidina izay matahotra Azy ka mamonjy azy.
    14. Ny fiadiana rehetra izay voaforona hamelezana anao dia tsy hisy hambinina, ary ny lela rehetra izay miady aminaodia horesenao lahatra.
    15. Fa Izaho no hanome anareo vava sy saina, izay tsy ho azon'ny fahavalonareo rehetra valiana na resena.
    16. Fa tsy ianareo no miteny, fa ny Fanahin'ny Rainareo no miteny ao anatinareo.
    17. Fa izay mikasika anareo dia mikasika ny anakandriamasony.
    18. Aza matahotra ianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin'ny Tanana ankavanan'ny fahamarinako Aho.
    Ireo Boky sy Toko ary ny Andininy ahitana ireo VERSETS ireo ao @ Baiboly :
    (1) Eksodosy 14 : 14
    (2) Eksodosy 15 : 6
    (3) Deotoronomia 32 : 35
    (4) Romana 12 : 19
    (5) Eksodosy 23 : 22
    (6) Matio 10 : 30 - 31
    (7) Eksodosy 23 : 27
    (8) Eksodosy 23 : 29 - 30
    (9) Salamo 105 : 14 - 15
    (10) Asa 18 : 14
    (11) Josoa 1 : 5
    (12) Eksodosy 23 : 20
    (13) Salamo 34 : 7
    (14) Isaia 54 : 17
    (15) Lioka 21 : 15
    (16) Matio 10 : 20
    (17) Zakaria 2 : 12
    (18) Isaia 41 : 10
    ****************************
    MES 5 PAGES ÉVANGÉLIQUES :
    1. MES VERSETS BIBLIQUES PRÉFÉRÉS DR:
    / mesversetsbibliquespre...
    2. MES ESPACES ÉVANGÉLIQUES DR :
    / mesespacesevangeliquesdr
    3. MES VIDÉOS ÉVANGÉLIQUES DR :
    / mesvideosevangeliquesdr
    4. TSARA NY TOMPO ISANANDRO DR :
    / tsaranytompoisanandrodr
    5. HOAVY KRISTY, VONONA VE HIANAO ? DR
    / hoavyikristyvononavehi...
    CONTACT :
    1. TÉLÉPHONE / WHATS APP : +261. 34.09.759.39
    2. E- MAIL : doc.rivolala@gmail.com
    3. LINKED IN : / doctor-rivolala-andria...
    4. TWITTER : / docrivolala
    5. INSTAGRAM : / rivolalaandrianantoavina
    6. FACEBOOK : / docteurrivolala
    7. ASSOCIATION CALDEN : caldenmadagascar.blogspot.com/...
    JÉSUS VOUS AIME. (Gal. 2 :20)
    QUE DIEU VOUS BÉNISSE ABONDAMMENT (Déo. 28)

ความคิดเห็น • 4

  • @nirinamld2186
    @nirinamld2186 หลายเดือนก่อน +1

    Amen aleloia

  • @RondroRandriamanantena
    @RondroRandriamanantena 13 วันที่ผ่านมา

    AMEN 🙏🙏🙏!!! Mankasitraka indrindra Tompoko,

  • @user-zy7gz7xm8n
    @user-zy7gz7xm8n หลายเดือนก่อน

    Misaotra betsaka tompoko,fa mampahery be ❤❤❤🎇🐑

  • @delphinemarie6454
    @delphinemarie6454 21 วันที่ผ่านมา

    Amen! mankasitraka indrindra Tompoko