Angataho ny Fanahy Masina hanome anao hery ahafahanao mitory ny tena filazantsara (Asa 18.18-28)

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 28 ก.ย. 2024
  • Pasteur Razafiarison Emilien - Mana isanandro vokarin'ny Fikambanana Mpiara-mamaky ny Baiboly eto Madagasikara
    NY ASAN'NY FANAHY MASINA
    1. Fa hahazo hery ianareo amin'ny hilatsahan'ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran'i Jodia sy i Samaria ary hatramin'ny faran'ny tany." ( Asa 1 : 8 )
    2. Ary samy feno ny Fanahy Masina izy rehetra, ka dia niteny tamin'ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan'ny Fanahy Masina azy. ( Asa 2 : 4 )
    3. Ary rehefa nivavaka izy, dia nihovitrovitra ny trano izay niangonany; dia feno ny Fanahy Masina izy rehetra ka nitory ny tenin'Andriamanitra tamin'ny fahasahiana. ( Asa 4 : 31 )
    4. Ary izahay dia vavolombelon'izany zavatra izany, ary ny Fanahy Masina koa, Izay efa nomen'Andriamanitra ny manaiky Azy." ( Asa 5 : 32 )
    5. Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo. ( Jaona 14 : 16 - 17 )
    6. Fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny Anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo. (Jaona 14 : 26 )
    7. "Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin'ny Ray, dia ny Fanahin'ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin'ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy. ( Jaona 15 : 26 )
    8. Ary raha tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana. ( Jaona 16 : 8 )
    9. Fa raha tonga ny Fanahin'ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin'ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo. ( Jaona 16 : 13 )
    10. Koa raha ianareo, na dia ratsy aza, mahalala hanome zava-tsoa ho an'ny zanakareo, tsy mainka va ny Ray, Izay any an-danitra, no hanome ny Fanahy Masina ho an'izay mangataka aminy?" ( Lioka 11 : 13 )
    11. Fa tsy nomen'Andriamanitra fanahy osa isika, fa fanahy mahery sy fitiavana ary fahononan-tena. ( II Tim 1 : 7 )
    ****************************
    MES 5 PAGES ÉVANGÉLIQUES :
    1. MES VERSETS BIBLIQUES PRÉFÉRÉS DR: / mesversetsbibliquespre...
    2. MES ESPACES ÉVANGÉLIQUES DR : / mesespacesevangeliquesdr
    3. MES VIDÉOS ÉVANGÉLIQUES DR : / mesvideosevangeliquesdr
    4. TSARA NY TOMPO ISANANDRO DR : / tsaranytompoisanandrodr
    5. HOAVY KRISTY, VONONA VE HIANAO ? DR / hoavyikristyvononavehi...
    CONTACT :
    1. TÉLÉPHONE / WHATS APP : +261. 34.09.759.39
    2. E- MAIL : doc.rivolala@gmail.com
    3. LINKED IN : / doctor-rivolala-andria...
    4. TWITTER : / docrivolala
    5. INSTAGRAM : / rivolalaandrianantoavina
    6. FACEBOOK : / docteurrivolala
    7. ASSOCIATION CALDEN : caldenmadagasca...
    JÉSUS VOUS AIME. (Gal. 2 :20)
    QUE DIEU VOUS BÉNISSE ABONDAMMENT (Déo. 28)

ความคิดเห็น • 2