Havako ô, ialao ny fijangajangana raha te handray fitahiana avy @ Tompo ianao (Nomery 5.11-31)

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 18 มิ.ย. 2024
  • Pasteur Razafiarison Emilien - Mana isanandro vokarin'ny Fikambanana Mpiara-mamaky ny Baiboly eto Madagasikara
    MILA MIAIKY HELOKA HIANAO
    1. Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin'ny tsy fahamarinana rehetra.
    2. Izay manafina ny fahotany tsy hambinina; fa izay mitsotra ka mahafoy azy no hahazo famindrampo.
    3. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin'ny Ray isika, dia i Jesoa Kristy, Ilay Marina
    4. Fa raha mandeha eo amin'ny mazava isika, tahaka Azy eo amin'ny mazava, dia manana firaisana isika, ary ny ran'i Jesoa Zanany no manadio antsika ho afaka amin'ny ota rehetra.
    5. Ho an'Izay tia antsika ka namaha (nanasa) antsika ho afaka amin'ny fahotantsika tamin'ny rany,
    6. Izy no ananantsika fanavotana amin'ny rany, dia ny famelana ny fahadisoantsika, araka ny haren'ny fahasoavany,
    7. Fa raha tsy misy ra alatsaka, dia tsy misy famelan-keloka.
    8. Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka sady mandalo ny fahadisoan'ny sisa amin'ny lovany ? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, fa tia famindrampo. Hamindra fo amintsika indray Izy ka hanitsakitsaka ny fahotantsika, eny, harianao ho any amin'ny ranomasina lalina ny fahotany rehetra.
    9. Fa hamindra fo amin'ny tsy fahamarinany Aho, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany
    10. Fa havelako ny helony, ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.
    11. Raha mifona Aminy ianao, dia hihaino anao Izy; ary ny voadinao dia hefainao. Ary raha misy kasainao hatao, dia hotanterahina aminao,ary hamirapiratra amin'ny lalanao ny mazava.
    12. Fa raha ianao kosa mandroso mitady an'Andriamanitraka mifona amin'ny Tsitoha. Ary raha madio sy mahitsy ianao, dia hifoha hamonjy anao tokoa Izy ary hampiadana indray ny fonenan'ny fahamarinanao, Ka na dia kely aza no niandohanao, dia ho lehibe indrindra no hiafaranao.
    13. Raha ampanatrehinao Azy ny fonao, ary atantinao aminy ny tananao, ka misy heloka eo an-tananao, dia ario lavitra izany, ary aza avela hisy ratsy hitoetra ao an-dainao
    14. Tsy homba anareo intsony Aho, raha tsy holevonina tsy ho eo aminareo ny zavatra efa voaozona.
    Ireo Boky sy Toko ary ny Andininy ahitana ireo VERSETS CLES ireo ao @ Baiboly :
    (1) I Jaona 1 : 9
    (2) Ohabolana 28 : 13
    (3) I Jaona 2 : 1
    (4) I Jaona 1 : 7
    (5) Apokalypsy 1 : 5
    (6) Efesiana 1 : 7
    (7) Hebreo 9 : 22
    (8) Mika 7 : 18 - 19
    (9) Hebreo 8 : 12
    (10) Jeremia 31 : 34
    (11) Joba 22 : 27 - 28
    (12) Joba 8 : 5 - 7
    (13) Joba 11 : 13 - 14
    (14) Josoa 7 : 12
    ****************************
    MES 5 PAGES ÉVANGÉLIQUES :
    1. MES VERSETS BIBLIQUES PRÉFÉRÉS DR: / mesversetsbibliquespre...
    2. MES ESPACES ÉVANGÉLIQUES DR : / mesespacesevangeliquesdr
    3. MES VIDÉOS ÉVANGÉLIQUES DR : / mesvideosevangeliquesdr
    4. TSARA NY TOMPO ISANANDRO DR : / tsaranytompoisanandrodr
    5. HOAVY KRISTY, VONONA VE HIANAO ? DR / hoavyikristyvononavehi...
    CONTACT :
    1. TÉLÉPHONE / WHATS APP : +261. 34.09.759.39
    2. E- MAIL : doc.rivolala@gmail.com
    3. LINKED IN : / doctor-rivolala-andria...
    4. TWITTER : / docrivolala
    5. INSTAGRAM : / rivolalaandrianantoavina
    6. FACEBOOK : / docteurrivolala
    7. ASSOCIATION CALDEN : caldenmadagascar.blogspot.com/...
    JÉSUS VOUS AIME. (Gal. 2 :20)
    QUE DIEU VOUS BÉNISSE ABONDAMMENT (Déo. 28)

ความคิดเห็น • 1

  • @user-zy7gz7xm8n
    @user-zy7gz7xm8n 10 วันที่ผ่านมา

    Makasitraka tompoko,fa toriteny tsarabe 💒🙏🙏🙏