Ny toe-tsaina skoto: Fandaharana Iza no Vonona Fm 88.6 By Franck RAMA

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 1 ส.ค. 2024
  • Ny toe-tsaina skoto, manoloana ny vanim-potoanq sarotra iainan’izao tontolo izao tontolo izao, noho ny valan’aretina covid-19.
    Ny skotisma dia fanampin’ny fanabeazana omen’ny Fianakaviana, sekoly, fiaraha-monina ho an’ny zatovolahy 5-25 taona. Ny lalana sy fanekena, ny fiainam-bondrona, ny fiainana an-kalamanjana no fototry ny fanabeazana mba ahatonga azy ireo ho tompon’andraikitra ho an’ny tenany, ho an’ny hafa ary afaka mitondra fiovana ho amin’ny tsara kokoa ho an’ny fiaraha-monina.
    Ny Tily eto Madagasikara dia fikambanana kristianina, mirona eo anivon’ny fiangonana protestanta Malagasy « scoutisme unioniste » hatramin’ny taona 1924.
    Ankoatra ny skotisma fototra dia manao ho laharam-pahamehana ny fitaizam-panahy sy fijoroana ho vavolombelon’i Jesoa kristy Tompo ny fikambanana sy ny mpikambana ao aminy.
    Ny lalàna 10 n’ny Tily dia manabe ny beazina fa tsy manasazy:
    Tokan-teny ny Tily
    Mahatoky ny Tily
    Vonona hanasoa namana ny Tily
    Havan’ny olona rehetra, ary mpirahalahy daholo
    Manaja olona ny Tily
    Antra biby sy tia mandinika zava-maniry ny Tily
    Mpankatoa ny Tily
    Mihira sy mitsiky ny Tily raha sendra ny sarotra
    Sahy, mahery fo ary maharitra amin’ny asany ny Tily
    Madio tena, eritreritra, fiteny sy fihetsika ny Tily
    #skotsima #kristianina #tily #scouts

ความคิดเห็น •