Lyrics by Kalo
Lyrics by Kalo
  • 90
  • 197 112
TOMPO O! - Lalao (Lyrics)
🎶TOMPO O - Lalao🎶 (Lyrics)
Tompo ô ! Mba henoinao 'ty mpanomponao
Fa mitalaho, koa avelao ireo ota natao
Tsy mendrika hanonona ny Anaranao aho
Fa fo maloto ny ao anatiko ao
Ireo ota nandrarànao niniako natao
Toa tsy sahy aho hilaza Aminao
Fantatro ihany anefa fa be fitiavana Ianao
Mamela ireo izay mifona Aminao
Misaotra Anao aho fa fantatro, fa tia ahy Ianao
Koa voavela ireo ota natao
Nandany ny andro tamin'ny rendrarendra aho
Ka nanadino ny anatra natao
Nanitsakitsaka ireo fanekena
Sy nandika ireo didinao
Tsapako ankehitriny
Fa raha lavitra Anao
Dia tsy haiko ny hanao ny sitraponao
Ireo hadisoako rehetra
Jesosy ô , raha sitrakao
Koa avelao ireo ota natao
Jeso ô, ny fivavako henoinao
Fa mitalaho, fa maniry aho hanaraka Anao
Fa tiako ny hanana fiainana vaovao
Dia fiainana miaraka Aminao
Ho sambatra finaritra eo anilanao
Mino aho fa mihaino ahy Ianao
Ireo fikasako rehetra apetrako eo Aminao
Tsy misy fanahiana ao anatiko ao
Tazony mafy ny tànako Tompo mba tsy handao
Fa maniry aho hanaraka Anao
Mangataka ny herin'ny Fanahinao aho
Ho sahy hijoro ho vavolombelonao
Hisetra koa ny herin'ny fakam-panahy
Eo Aminao tsy manana ahiahy
Na inon'inona hihatra eo amin'ny fiainako
Tsy asiako tahotra ny alehako
O! Raiso aho Jeso tia, fihino eo an-tratranao
Fa maniry aho hanaraka Anao
Maniry aho hanaraka Anao
Fa maniry aho hanaraka Anao
🌈
#LyricsbyKalo
มุมมอง: 274

วีดีโอ

AMBOARA HO AN'I NENY - Fanaky ny famindram-po (Lyrics)
มุมมอง 353หลายเดือนก่อน
💝AMBOARA HO AN'I NENY - Fanaky ny famindram-po (FANAFA)💝 (Lyrics) Amboaram-boninkazo, atolotra anao re ry Neny Atolotr'i Dada sy ankizy rehetra satria fetinao anio Atolotr'i Dada sy ankizy rehetra satria fetinao anio Amboaram-pitiavana atolotr'ireo zanakao Ry Neny nikolo nibaby nitaiza tsy sasatra nikarakara Ry Neny nikolo nibaby nitaiza tsy sasatra nikarakara Hitahy anao Jeso, Hiaro anao Izy e...
MISAOTRA ANAO 'ZAHAY - Saholimalala sy Nali Rabarison (Lyrics)
มุมมอง 3103 หลายเดือนก่อน
🌈MISAOTRA ANAO 'ZAHAY - Saholimalala sy Nali Rabarison🌈 (Lyrics) Misaotra anao 'zahay Ry Tompo tianay Fa mbola nomenao tombon'andro Hahay midera Anao. Ny zavatra ataonay Ankinina Aminao Fa lehibe tokoa ny fitiavanao Ny mpanomponao. Hery lehibe tokoa ho anay Ny mivavaka Aminao Koa ampio ny olonao 'Zay mangataka Aminao Ny fahasoavanao. Misaotra anao 'zahay Ry Tompo tianay Fa mbola nomenao tombon'...
FATRATRA LOATRA - Groupe Hir'Aina (Lyrics)
มุมมอง 1.1K3 หลายเดือนก่อน
💗FATRATRA LOATRA - Groupe Hir'Aina💗 (Lyrics) Fatratra loatra raha ny fitiavanao Ry Jesosy Tompoko Famindram-po ts'hita lany no natolotrao Hotinafiko Fahafatesana no miandry ahy Afo mandevona koa Fa ny tànanao mahery no nisarika ahy Mba ho velona Rendrika aho tanatin'ny adalana Ditra no nameno ny fo Fa Ianao no nampody ahy ho ao am-bala indray Ka nanangana ahy mba ho zanakao Rendrika aho tanatin...
TADIDIKO - Groupe Hir'Aina (Lyrics)
มุมมอง 2.4K5 หลายเดือนก่อน
🎼TADIDIKO - Groupe Hir'Aina🎼 (Lyrics) Tadidiko ny omaly Fony aho mbola saraka Anao. Nandrakotr'ahy ny jaly, Sy ny fahorian'izao tontolo izao. Nandao avokoa 'zay mba namako, Nanalavitr'ahy. Ka irery aho tsy misy mpijery Tanaty ady. Fa teo Ianao ry Jesôsy Tompo Tsy mba nijery izany fahalemeko. Nampiarin'ahy, namela ahy hitoetra Anilanao, anilanao. Tadidiko ny omaly Fony aho mbola rakotr'aizina. N...
MANOATRA NOHO NY MPANDRESY - Mr Vonjy sy Domoina (Lyrics)
มุมมอง 1.4K5 หลายเดือนก่อน
🎼MANOATRA NOHO NY MPANDRESY - Mr Vonjy sy Domoina🎼 (Lyrics) Natolony ahy isan'andro ny teniny Ka efa nanova ny fiainako ho vaovao Nanitsy ny làlako, ka nampianatra ahy handeha Nanolotra ahy ny fahamarinanao Ny Fanahy masina koa dia narotsany Hitarika ahy ho eo an-tongony Namelona ny afon'ny finoana ao anatiko ao Hitarika ahy ho any an-danitra Manoatra noho ny mpandresy aho Satria Jeso Tompo eo ...
NY MINO - Groupe Ny Mino (Lyrics)
มุมมอง 8755 หลายเดือนก่อน
🙏🏻NY MINO - Groupe Ny Mino🙏🏻 (Lyrics) Na dia mamaky lohasaha mangina aza Ny mino an'i Jesoa tsy mba manahy Mandroso mandroso Ny mino an'i Jesoa tsy mba manahy Ka na dia misy ny mpamingana tsy tia Ny fiainako milamina erý Mandresy aho mandresy aho Ny fiainako milamina erý Na dia mamaky lohasaha mangina aza Ny mino an'i Jesoa tsy mba manahy Mandroso mandroso Ny mino an'i Jesoa tsy mba manahy Ka n...
SAMY MANANA NY FOTOANA - Tarika Alison (Lyrics)
มุมมอง 4805 หลายเดือนก่อน
🌈SAMY MANANA NY FOTOANA - Tarika Alison🌈 (Lyrics) Samy manana ny fotoana Ny zavatra rehetra eto an-tany Tsy mba misy izay mivoana Ny fandaharan'ny mpahary Ao ny andro haterahana Ao ny andro hafatesana Ao ny andro handihizana Ao ny andro 'zay hisaonana Samy manana ny fotoana Ny zavatra rehetra eto an-tany Tsy mba misy izay mivoana Ny fandaharan'ny mpahary Ao ny andro hitomaniana Ao ny andro hiho...
VAVAKA - Hanitr'i Kristy (Lyrics)
มุมมอง 1.8K5 หลายเดือนก่อน
🙏🏻VAVAKA - Groupe Hanitr'i Kristy🙏🏻 (Lyrics) Andriamanitra o! Ianao mahafantatra ny ao am-poko ao. Hainao avokoa na dia tsy misokatra ireto molotro. Izay faniriako fantatrao, Ireo sentom-poko hitanao. Na izay miafina indrindra dia miharihary eo Aminao. Raha misy zavatra tadiaviko, nefa tsy mahasoa ny ho aviko, Tompo o! Sakano tsy ho tanteraka, Fa ekeko izay sitrakao. Andriamanitra o! Faniriako ...
AMORONY FO MADIO - Tarika Sedera (Lyrics)
มุมมอง 3695 หลายเดือนก่อน
🎼AMORONY FO MADIO - Tarika Sedera🎼 (Lyrics) Amorony fo madio aho Ry Tompo mba hahaizako mankatoa ny didinao Sy ahafahako manitsy ny diako amin'izay lalan-kizorako Amorony fo madio aho Ry Tompo mba hahaizako mankatoa ny didinao Sy ahafahako manitsy ny diako amin'izay lalan-kizorako Satria Ianao ihany anie no Tompo Mpanjaka lehibe Ny dera sy voninahitra ho Anao Ry Tompo (Mpanjakan'ny lanitra) Rah...
VAVAKA HO AN'NY TANINDRAZANA - Groupe Njatoson (Lyrics)
มุมมอง 3406 หลายเดือนก่อน
🙏🏻VAVAKA HO AN'NY TANDINDRAZANA - Groupe Njatoson🙏🏻 (Lyrics) Tompo Masina ô inty aho miandrandra Anao Fa Hianao anie no Andriamanitro Tsy manam-paharoa mihaino vavaka Ho Anao irery ihany anie ny voninahitra Ny Anaranao Jeso no handohaliako Hianao Ilay Ray tsitoha no hiankohofako Tsy misy toa Anao ireo andriamanitra Hianao Ilay Nahary anay sy izao tontolo izao Tsapako toa miharatsy izao fiainana...
TOMPO Ô, IANAO NO MAHALALA - Édouard sy Tafika (Lyrics)
มุมมอง 1.1K6 หลายเดือนก่อน
🙏🏻TOMPO Ô IANAO NO MAHALALA - Édouard sy Tafika (ABF)🙏🏻 (Lyrics) Tompo ô, Ianao no mahalala Ny ady mafy izay atrehako Fa tsy vitsy ireo 'zay mankahala Aoka Ianao no fialofako Fantatrao koa izay nataoko Teo imasonao ny fiainako Mila ho reraka ny foko sy ny saiko Ka dia mila famonjena avy Aminao Endrikendrika efa ho isan'andro Amin'ireo zava-tsy natao Tompo ô, Ianao mahalala ny andro Hitrangan'ny...
ANTSO - Jacqueline sy Mr Vonjy (Lyrics)
มุมมอง 1.4K7 หลายเดือนก่อน
🎶ANTSO - Jacqueline & Mr Vonjy🎶 (Lyrics) Anio dia anio no andrenesanao Ilay feon'ny Tompo manao toy izao Ô ry mpanota andevon'ny ota Izaho dia izaho mihitsy no toherinao Ô mba jereo re ny hoavinao Tsy tsapanao ve fa ho very ianao Impiry impiry no efa nikiry Nefa tsarovy mbola tiako foana ianao F'efa nafoiko ny aiko ho anao tokoa Asa re raha tsapanao hoe soa Ny rako mihitsy no efa namonjeko anao...
EFA NITSANGANA IZY - Groupe Lalao (Lyrics)
มุมมอง 1.6K7 หลายเดือนก่อน
✝EFA NITSANGANA IZY - Groupe Lalao✝ (Lyrics) Nokapohina ny tenany izay nandre nangirifiry Nororàna koa ny tavany nefa vonton'alahelo Sy nasian-tehamaina k'indro fa nivoaramena Rarin-tsilo no narenty teo an-tampon-dohany Nofantsihana ny tanany tsy mba afaka namaly Toy izany koa ny tongony norezatina avokoa Ny lanivohany nolefonina namoka rà sy rano dia narojona ilay hazo ho mariky ny fanozonana ...
TENA NAMANA - Fitarikandro (Lyrics)
มุมมอง 5908 หลายเดือนก่อน
🫂TENA NAMANA - Fitarikandro🫂 (Lyrics) Namako tena namako efa ela ianao Niara-niatrika hatrany ny fiainana na mamy na mangidy Nifampiaro tamin-java-tsarotra, tsy nifanary na dia fahoriana Namako tena namako efa ela ianao Niara-niatrika hatrany ny fiainana na mamy na mangidy Nifampiaro tamin-java-tsarotra, tsy nifanary na dia fahoriana Mifampahery isan'andro raha tojo olana mahamay Ny finamanants...
IT'S YOU - Vonivato (Lyrics)
มุมมอง 1.6K8 หลายเดือนก่อน
IT'S YOU - Vonivato (Lyrics)
IZY HIADY HO ANAO - Akon'ny Lanitra Ambohidratrimo (Lyrics)
มุมมอง 6418 หลายเดือนก่อน
IZY HIADY HO ANAO - Akon'ny Lanitra Ambohidratrimo (Lyrics)
HO AIZA IANAO - Hanitr'i Kristy (Lyrics)
มุมมอง 3.2K8 หลายเดือนก่อน
HO AIZA IANAO - Hanitr'i Kristy (Lyrics)
INDRAY ANDRO ANY - Groupe Lalao (Lyrics)
มุมมอง 4.6K8 หลายเดือนก่อน
INDRAY ANDRO ANY - Groupe Lalao (Lyrics)
HO ANAO - Jeunes Lumières (Lyrics)
มุมมอง 47010 หลายเดือนก่อน
HO ANAO - Jeunes Lumières (Lyrics)
HAY TEO FOANA I KRISTY - Chorale FIDERANA (Lyrics)
มุมมอง 4.4K10 หลายเดือนก่อน
HAY TEO FOANA I KRISTY - Chorale FIDERANA (Lyrics)
TADIAVO JESO (BESSA) - Antsan'ny Fo Miray feat Mamy (Lyrics)
มุมมอง 7K10 หลายเดือนก่อน
TADIAVO JESO (BESSA) - Antsan'ny Fo Miray feat Mamy (Lyrics)
RAY MALALA - Groupe Sedera (Lyrics)
มุมมอง 34310 หลายเดือนก่อน
RAY MALALA - Groupe Sedera (Lyrics)
NY FIANGONANA - Rijamalala (Lyrics)
มุมมอง 98910 หลายเดือนก่อน
NY FIANGONANA - Rijamalala (Lyrics)
FITIA SAFONONOKA - FANAFA Fanaky ny Famindram-po (Lyrics)
มุมมอง 3.6K10 หลายเดือนก่อน
FITIA SAFONONOKA - FANAFA Fanaky ny Famindram-po (Lyrics)
DIA ILAY FITIA - Groupe Haga (Lyrics)
มุมมอง 1.6K10 หลายเดือนก่อน
DIA ILAY FITIA - Groupe Haga (Lyrics)
VAVAKA - Ranomasina Fitaratra Itaosy (R.F.I) [Lyrics]
มุมมอง 1.1K10 หลายเดือนก่อน
VAVAKA - Ranomasina Fitaratra Itaosy (R.F.I) [Lyrics]
TOMPO Ô OMEO HERY - Hasina's Group (Lyrics)
มุมมอง 1.5Kปีที่แล้ว
TOMPO Ô OMEO HERY - Hasina's Group (Lyrics)
ZAVA-MAHAGAGA (Hosana) - Adilia (Lyrics)
มุมมอง 2.4Kปีที่แล้ว
ZAVA-MAHAGAGA (Hosana) - Adilia (Lyrics)
RY NENY TIAKO - Groupe Sedera (Lyrics)
มุมมอง 1.3Kปีที่แล้ว
RY NENY TIAKO - Groupe Sedera (Lyrics)