AMBOARA HO AN'I NENY - Fanaky ny famindram-po (Lyrics)

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 25 ธ.ค. 2024
  • 💝AMBOARA HO AN'I NENY - Fanaky ny famindram-po (FANAFA)💝 (Lyrics)
    Amboaram-boninkazo, atolotra anao re ry Neny
    Atolotr'i Dada sy ankizy rehetra satria fetinao anio
    Atolotr'i Dada sy ankizy rehetra satria fetinao anio
    Amboaram-pitiavana atolotr'ireo zanakao
    Ry Neny nikolo nibaby nitaiza tsy sasatra nikarakara
    Ry Neny nikolo nibaby nitaiza tsy sasatra nikarakara
    Hitahy anao Jeso, Hiaro anao Izy e
    Izany no tonom-bavakay amin'ny androm-piainanao
    Izany no tonom-bavakay amin'ny androm-piainanao
    Niaritra ny fahoriana, nigoka ny rano tsy tiana
    Tsy hoe dokadoka f'hatrany am-bohoka dia efa tia anay ianao
    Tsy hoe dokadoka f'hatrany am-bohoka dia efa tia anay ianao
    Raha misy marary am-pandriana
    I Neny tsy mba niangaviana
    fa Tonga matetika an-doham-pandriana porofom-pitiavana.
    fa Tonga matetika an-doham-pandriana porofom-pitiavana
    Hitahy anao Jeso, Hiaro anao Izy e
    Izany no tonom-bavakay amin'ny androm-piainanao
    Izany no tonom-bavakay amin'ny androm-piainanao
    Mpivahiny miantrano rehetra tsy misy tarehy manjoretra
    F'eo ianao ry Neny mampifaly ireny porofom-pitiavana
    F'eo ianao ry Neny mampifaly ireny porofom-pitiavana
    Ao an-trano ny fianakaviana, mirindra sy feno hafaliana
    Lapan-tsikitsiky tsisy likiliky satria manana an'i Neny
    Lapan-tsikitsiky tsisy likiliky satria manana an'i Neny
    Hitahy anao Jeso, Hiaro anao Izy e
    Izany no tonom-bavakay amin'ny androm-piainanao
    Izany no tonom-bavakay amin'ny androm-piainanao
    Ilay nahary anie, tsy hanadino anao
    Hitantana mandrakizay anao ry Neny ô
    Hitantana mandrakizay anao ry Neny ô
    🤰🏻
    #LyricsbyKalo

ความคิดเห็น •