FITIA SAFONONOKA - FANAFA Fanaky ny Famindram-po (Lyrics)

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 16 ส.ค. 2023
  • 💝FITIA SAFONONOKA - Fanaky ny Famindram-po💝 (Lyrics)
    Mahatsiaro karakaina ao anatiko ao
    Vesaran-keloka fa nahim-po no natao
    Mahatsiaro toa mangina fa lavitra Anao
    Toa olo-manjenjena aho izao
    Fantatro fa feno ny fitiavanao ahy
    Kanefa dia nolaviko ny antsonao
    Nikiry biby aho, nanao ny tsy sitrakao
    Variana sy sondriana nilalao
    Ny foko dia nikatona tsy nety nivoha
    Ninia tsy nampandroso Anao ry Tompo Tsitoha
    Finaritra loatra ka tsy tsiaro Edena
    Tsy nataoko an-doha 'zay famonjena
    Hifonako tokoa Jeso, hifonako izay vitako
    Diso aho ka mitalaho
    Henoy k'aza lavinao
    Ooooooh Ooooh... aza lavina
    Hifonako, mifona aho
    Diso tena diso
    Hifonako fa diso aho
    Mifona aho Jeso tena diso aho
    Izao tontolo izao miara-rendrika koa
    Misavoritaka sy mifamaky loha
    Korontana, safotofoto, ranomaso
    Mitombo ny asa ratsy sy ankaso
    ️Ny fo sy saina tony mba omeo anay
    Ny tabataba sy ady, aoka hitsahatra hatreo
    Ny tonom-bavakay re ry Tompo mba raiso
    Ampangino ireo mpanatsatso
    Mangataka aho ry Tompo mba omeo anay
    Firaisan-tsaina sy fifankatiavana
    Ny fiovam-po sy fiainam-baovao
    Ho santatry ny fiadananay
    Hifonako tokoa Jeso, hifonako izay vitako
    Diso aho ka mitalaho
    Henoy k'aza lavinao
    Ooooooh Ooooh... aza lavina
    Hifonako, mifona aho
    Diso tena diso
    Hifonako fa diso aho
    Mifona aho Jeso tena diso aho
    Ny fiainanay ety tsy zakanay velively
    Eto izahay migoka vahona sy tantely
    Fiaina-miovaova na hoe lakalaka
    Tsy mampitombon-tsaina, mahavaka
    ️Reraka sy drodroka ka dia te hiala voly
    Kinanjo io mazàna hanjakan'ny devoly
    Adinonay koa f'Ianao mitazana foana
    Mahita izay hatao toy ny anoloana
    Mangataka aho ry Tompo mba omeo akany
    Hiafenanay ny loza izay hamely ny tany
    Ny herin'ny Fanahinao ry Tompo Tsitoha
    Raha renoka aho dia Izy no ampifoha
    Hifonako tokoa Jeso, hifonako izay vitako
    Diso aho ka mitalaho
    Henoy k'aza lavinao
    Ooooooh Ooooh... aza lavina
    Hifonako, mifona aho
    Diso tena diso
    Hifonako fa diso aho
    Mifona aho Jeso tena diso
    Falifaly aho Jeso
    Tsy lefy ny fitiavanao ahy
    Tsy mety ho ritra ilay fitia
    Nasehonao teo Kalvary
    Feno tena feno tokoa
    Tena safononoka
    ️Fitiavana mandrakizay
    No nitiavanao ahy
    ️Oooh...
    Fitia safononoka
    Ooooooh Ooooh...
    Safononoka
    🌈
    #LyricsbyKalo

ความคิดเห็น •