iZAHO MAHALALA (clip officiel)

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 29 ก.พ. 2024
  • "Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak'olombelona ka hanenina; moa efa nilaza Izy , ka tsy hefainy? Na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?
    IZAHO MAHALALA
    Ny ahy ny Andriamanitro dia marina foana
    Raha misy lazainy na nampanantenainy
    Tsy maintsy ho ataony
    Na ho ela na ho aingana
    Amin’ny fotoany
    Na dia tsy hitan’ny masoko aza Izy miasa
    Na ela niandry aho tsy nisy nitranga
    Izaho mahalala, fa zava-mahagaga no nomaniny ho ahy
    Izaho mahalala, fa zava-mahagaga no nomaniny ho ahy
    Ka dia hihira aho eto am-piandrasana Anao Tompo o !
    Hihira aho, hoe ampy ho ahy ny fahasoavanao
    Noho izay rehetra nataonao ho ahy
    Izaho mahalala fa tia ahy Ianao
    Ny ahy ny Andriamanitro dia tena tia ahy
    Na dia izaho irery aza tety an-tany
    Dia mbola nafoiny ihany, ny zanany tokana hamonjy ahy
    Ka tsy omeny ahy maimaim-poana ve izay ilaiko
    Izay iriko, izay hantenaiko

ความคิดเห็น •