HATSARAN'NY TOMPO | GOODNESS OF GOD | BODOKELY

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 24 เม.ย. 2021
  • " Indro, tafatsangana indray aho. Velona tra-pamonjena fa namindrànao fo Andriamanitra ô !
    Eny, nandalo ny lohasaha aloky ny fahafatesana tokoa aho, maro no lavo manodidina ahy fa izaho kosa mbola izao afaka manome voninahitra ny Anaranao izao Jesosy !! Tsy izaho no mendrika indrindra ary tsy misy avy amiko fa ny fahavelomako anio dia fahasoavanao tsotra izao!!
    Eo ny fitsaboana, eo ny fikarakarana "maximum" ataon'ny olona fa Ianao ihany no tompon'ny teny farany amin'ny AINA."
    Misaotra Azy manokana aho na dia tao anatin'ny mangidy aza satria tao no nandalovako ny sekolin'ny FITSAHARANA sy FINOANA.
    Nianatra ny nihazona ny FINOAKO Azy aho, ny fahalalàko Azy hatramin'izay.
    Tsy mba nanan-tahotra aho na dia kely aza fa nanana antoka aho hoe raha velona indray dia miaraka Aminy, raha alainy kosa dia nahatanteraka ny fihazakazahako ho Azy ary hitsahatra ao Aminy. Ny zava-dehibe tamiko dia ny hoe : Miaraka amin'i Jesosy aho na aiza na aiza misy ahy.
    Nianatra nanampina ny sofiko koa tsy hihaino sy tsy hanome lanja ireo karazam-baovao mampiorohoro sy mampatahotra fa nitazona mafy izay nolazainy tamiko hoe : " AZA MATAHOTRA, MOMBA ANAO AHO "
    Nohazoniko mafy ny TENINY ! Hay tena aina ho an'izay mahazo azy tokoa ny tenin'Andriamanitra ary fahasalamana ho an'ny nofo rehetra araka ny Ohabolana 4:22.
    Ary koa ny voasoratra ao @ Hebreo 10:38 manao hoe : " Ny oloko marina dia velon'ny finoana " Amen !
    Mbola lava be raha ny zavatra tiako ambara ny amin'ny fahatsaran'Andriamanitra fa feheziko ao anatin'ity hira iray izay tena tsy afaka am-bavako ity. Tena mampahery ahy izy ity ka atolotro am-pitiavana be mba ampaherezako anao izay mety mandalo ady sarotra ihany koa amin'izao fotoana izao.
    Misaora an'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra ! Ny amin'ny segondra iray izay mbola omeny anao. Hay kay lafo be ny vidin'ny oxygène 1 segondra mahavelona antsika raha vidiana!! Nefa dia nomeny antsika maimaim-poana izany hatrizay, na ho an'ny marina na ho an'ny tsy marina, na ho an'ny mino na tsia.
    Raha mba nampahery anao, dia mba zarao mba hampahery ny hafa ihany koa.
    Peace!
  • เพลง

ความคิดเห็น •