ANTSO HO ANAO (Hosana Ambohijatovo Fitiavana

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 1 ต.ค. 2024
  • Raha misy ratram-po na azom-pahoriana ianao
    Dia làlana lalovana io mba hanefena anao
    Na dia mavesatra aza tsy hanariana ny finoana
    Ho maivana aminao rehefa Jeso no antsoina
    Tsarovy koa fa maro no mivavaka ho anao
    Izay efa niharam-pahoriana mafy toy izao
    Iray no nitokiany dia Jeso izay tsy mandao.
    Hampody ny haizina mba ho maraina vaovao.
    Matetika na sambany ianao
    No iharam-pitsapàna toy izao ?
    Dia aoka hazava tsara
    Fa misy tiany hambara
    Fitiavana no anton'izao
    Sady efa antso ataony aminao
    Ny hiovanao fo raha tsy fantatrao
    Valio izao antso izao
    Na maloka aza ny andronao tsy mety mibaliaka
    Mijery anao hatrany anie ilay Andriamanitsika
    Mahay ny zavatra rehetra izay tsy takatrao
    Hampody ny haizina mba ho maraina vaovao
    Matetika na sambany ianao
    No iharam-pitsapàna toy izao ?
    Dia aoka hazava tsara
    Fa misy tiany hambara
    Fitiavana no anton'izao
    Sady efa antso ataony aminao
    Ny hiovanao fo raha tsy fantatrao
    Valio izao antso izao
    Na maloka aza ny andronao tsy mety mibaliaka
    Mijery anao hatrany anie ilay Andriamanitsika
    Mahay ny zavatra rehetra izay tsy takatrao
    Ka manatsotra tanana Izy ta-handray anao

ความคิดเห็น • 201