Nybeloha - Azy ny vatany (Clip officiel)

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 22 ก.ย. 2024

ความคิดเห็น • 1

  • @zartdaina9215
    @zartdaina9215  7 หลายเดือนก่อน +5

    AZY NY VATANY (Lyrics)
    Miana... Tsy miferinaina...
    Couplet 01 :
    Na voararan'ny lalàna ny rongony
    Na hodoranareo sy havoaka amin'ny tele tsy hoe hahafoana ny mpamboly
    Na bômbany firy na firy kilao na firy hectares na firy gony
    Aondrano daholo fa ilay toe-karena efa tsy avotra mety mba hiakatra ambony, ny fahantrana efa mampifamono
    Misoratra tsara amin'ny fonon-tsigara ny hoe manimba sy mamono
    Fa mbola mifoka ireo izay te hifoka tsy andairan'ny kozy hoe ajanono
    Tsy nampiova na inona na inona akory ilay soratra, ny efa tafiditra tsy afaka intsony
    Na ho 1 tapitrisa ariary ny singany 1 dia hovidiandr'i lerony
    Fa azy ny vatany, azy ny avokavony, anazy ny zavatra fohany, volany ihany no dorany
    Fa azy ny vatany, azy ny avokavony, anazy ny zavatra fohany, volany ihany no dorany
    Refrain x2 :
    Aleo samy manao izay tiany e ! Dia samy mijinja ny afafiny
    Samy mikatsaka ny fifaliany e ! Dia samy mba mihinan'ny hamaminy
    Aleo samy manao izay tiany e ! Dia samy mijinja ny afafiny
    Samy mikatsaka ny fifaliany e ! Aleo samy hihinan'ny hamaminy
    Couplet 02
    Efa nitobaka eran'ny tanàna hatrizay ny misoprostol
    Io na tsy eken'ny lalàna mi avorter foana ny bikin'ny viol
    Izany hoe ireo bevohoka tsy fidiny io, ao koa ny mbola tsy vonona
    Ireo tsy te hiteraka sampona voatsaratsara ho mpamono olona
    Ny atody tsy mbola akoho, ny foetus tsy mbola olombelona
    Ny fanjakàna tsy hiantoka mihitsy an'ireo zazakely tsy vitan'ny reniny
    Raha hoe vehivavy efa vonona ny hanala zaza tsy maintsy hoe nandinika lalina
    Mila atao ara-pahasalamana io mila assistance medicale
    Fa azy ny vatany, azy ny tranon-jazany
    Aza dia faly ny hitsaratsara azy fa tsy arakao ny tantarany
    Fa azy ny vatany, azy ny tranon-jazany
    Aza dia faly ny hitsaratsara azy fa tsy arakao ny tantarany
    Refrain x2 :
    Aleo samy manao izay tiany e ! Dia samy mijinja ny afafiny
    Samy mikatsaka ny fifaliany e ! Dia samy mba mihinan'ny hamaminy
    Aleo samy manao izay tiany e ! Dia samy mijinja ny afafiny
    Samy mikatsaka ny fifaliany e ! Aleo samy mihinana ny hamaminy
    Couplet 03
    Fa na mitombo ny bandy tia bandy
    Tsy miova ny tian'Nybeloha fa vehivavy
    Torak'izany ny vavy tia vavy, tsy azo terena ho tara amin'ny bandy
    Miaraka foana eny izay te hiaraka na tsy ekenao hifanambady
    Fa aza mitsara ! Miverena manao salaka raha ianao no malagasy
    Ny eto anie samy manao izay tiany na misy na tsisy ny fankatoavana
    Samy manana ny tanjona iriany, ny tsirairay samy manam-pitiavana
    Tsisy idiran'ny maha mpino io, tsisy idiran'ny fivavahana
    Tsisy idiran'ny fomban-drazana, ny hany azonao atao dia mitazana
    Fa azy ny vatany, azy ny taovam-pananahany
    Tsy ny anao no ampiasainy fa aleo izy hiaina amin'ny fahalalahany
    Azy ny vatany, azy ny taovam-pananahany

    A/C : Nybeloha