Misaora ny Tompo ianareo (Tononkiran'i Maria)

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 12 ก.ย. 2024
  • Ankalazao ny Tompo p.533
    Vavaka sy Hira p.427
    Fihirana Hasina p.284
    Fihirana Vaovao p.205
    Fihirana Dera p.176
    Misaora ny Tompo ianareo voafidiny,
    Fa izy ihany no niantso anareo a,
    Na manao ahoana ny toetranareo a,
    Antsoiny ho sakaiza fa tsy mpanompo a,
    Noho ny fitiavany maimaim-poana a:
    Koa misaora ny Tompo ianareo a.
    1. Ny foko midera ny Tompontsika,
    Ny saiko mifaly amin'Andriamanitra
    Noho izy Mpamonjy nitsinjo ahy
    'Lay mpanompovaviny tsinontsinona.
    2. Fa indro manomboka ankehitriny
    Hantsoin'ny taranaka: "Sambatra" aho:
    Nahavita be tamiko ilay Mahefa,
    Ilay hoe "Ny Masina no anarany".
    3. 'Lay mandrakizay ny indrafony
    Amin'ny olon-drehetra matahotra Azy,
    'Lay Tompo Mpandresy mahery sandry ,
    Mampihahaka ireo 'zay mpiavonavona.
    4. Manongana ireo izay mpanjakazaka
    Kanefa manandratra ireo ambany;
    Manototra soa an'ireo noana
    Fa mampody maina an'ireo mpanana.
    5. Mpanarina an'Israely olony
    Satria mahatsiaro ny indrafony
    Nampanantenainy ny razantsika
    Ho an'i Abrahama sy izay taranany.
    6. 'Lay Ray be fitiavana mba derao,
    Hobio 'lay Zanany tonga nofo,
    Ary koa 'lay Fanahy mampiray antsika,
    Ho mandrakizay alaovalo!

ความคิดเห็น •