Iza loatra ho'aho

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 12 ก.ย. 2024
  • A/C: Ekipa Ankalazao ny Tompo
    Hira natao nandritra ny Eokaristia Masina notarihin'ny Papa François teny Soamandrakizay, tamin'ny famangiany an'i Madagasikara.

ความคิดเห็น • 5

  • @user-fg4ty6mc7t
    @user-fg4ty6mc7t 8 หลายเดือนก่อน

    Tena tiako be ity hira ity. Tena tsara.

  • @marieclarisseaugereau7629
    @marieclarisseaugereau7629 ปีที่แล้ว

    Misaotra eeee efa nataonay chorales Akony Fandresena tsara be ko tsy mbola misy mpanonta nodianao tsy hita aaaaa ❤❤❤❤🙏🙏🙏🙏

  • @hantanirinanunziarazafindr2474
    @hantanirinanunziarazafindr2474 ปีที่แล้ว

    Tsara be ilay hira, Fa mba afaka mahazo ny tonony ve azafady?

    • @arivoararabarijaona4214
      @arivoararabarijaona4214  ปีที่แล้ว +1

      (Lk. 10, 29-37)
      Iza loatra ho'aho io maratra io, mba lazao?
      Mivalampatra eo amoron-dalana mankany Jerikao,
      Fa nendahin-jiolahy, nofofoiny ho faty tsotra izao?
      Na ny levita, na mpisorona,
      Dia samy nikimpy, nidify, tsy hanolo-tanana,
      Fadifadin-dalàna lomorina no nisalorany
      Ho fialan-tsiny tsy hitsaboana izay maratra (x2)
      1. Fa io maratra io, moa tsy izaho ilay nanota,
      Teny an-dalam-piainako teny, resin'ilay mpaka fanahy!
      Izaho ilay mpamory hetra, izay nanodinkodim-bola.
      Izao ireo mihevi-tena ho marina, dia mandosidositra ahy ...
      Jesoa, Samaritanina tsara fanahy ô!
      Nanota aho, ka aniraho iray amin'ny mpianatrao, hitsabo ahy
      Jesoa, resinao ilay fahavalonay e !
      Tsy mbola nisy mpanota nodianao tsy hita (x4)
      2. Fa io maratra io, moa tsy izaho ilay mpivaro-tena,
      Nohararaotina aho fa osa, noho 'ty nofo mosarena!
      Inona àry no hatao, hiarenako indray?
      'Reo milaza ho askaizako, ny hitsentsitra rà ahy no hainy!...
      3. Fa io maratra io, moa tsy izaho ilay mpandalo,
      Nodarofan'ny jiolahy nanafika teto an-tanàna!
      Fa izay nijery ahy, tsy te-hahalala akory.
      Noratraina mba hitondra takaitra mandra-maty ...

    • @marieclarisseaugereau7629
      @marieclarisseaugereau7629 10 หลายเดือนก่อน

      Misaotra eeee