Mahereza re razandry ! (A/C: Ankalazao ny Tompo)

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 12 ก.ย. 2024
  • 1- Mahereza re, Razandry (mahereza)
    Mirosoa hatrany ianao (mirosoa ianao)
    Atolory re ny sandry (mahereza)
    Fa miandry i Jesoa Tomponao
    Izy ihany no banjino
    Ibitsiho mangina hoe:
    Mba tantano sy vimbino
    ‘Ty zandrikely ‘ty zandrikelinao re!
    Mahereza, mahereza, mahereza re ianao
    Mahereza, mahereza, mahereza a!
    2- Raha sendra hakiviana
    Mila handreraka ny fo
    Mampitondra fijaliana
    Fa mbola nofo ihany moa
    I Jesoa ilay tsy miova
    Tsy mivadika aminao
    No antsoy moramora
    Hanome hanome anao lay hery vao
    3- Raha tsaroana fa mideza
    'Zany lalana haleha
    Mila ho ketraka hianjera
    Aza hadinonao re
    Fa tsiky kely tsiky ihany
    Antsoy mora i Jesoa
    Hanamaivana an’izany
    Fa fitsapana (2) ihany moa
    4- Tsy diso lalana ianao
    Mahereza matokia.
    I Jesoa nifidy anao
    Ka miravoa sy mifalia
    Tia anao anie i Jesoa
    Miantso anao olon-tiany
    Ka handeha mirosoa
    Fa homba anao (2) ny fitahiany.

ความคิดเห็น • 3