NY AINGA FIAINAM-BAOVAO

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 6 ก.พ. 2025
  • 👉🎁 • FANANTENANA : NY AINGA
    FIAINAM-BAOVAO
    Ianao ilay olombelona marefo
    Ny lalanao mamaky haizim-pito
    Fa miandry anao ilay fahazavana Io ny
    Tompo miandry anao ka mitsangana
    Izao tontolo izao efa jambena
    Voagajen-drendrarendra sy harena
    Ianao dia ianao no antenainy ny fiainanao miova no ilainy
    Ny fitiavany tsy miova no niantsoany anao izao
    Ny ra nalatsany no nanasany ny fonao
    Ka dia tsy ho raisinao tokoa ve ilay antso antefany
    Koa andeha ianao hampijoro hatrany ny lalam-pahamarinana
    F’izany (2x) no fiainam-baovao
    F’izany (2x) no niantsoany anao
    Satria ny fitiavan’Izy
    Tompo no miantso anao hanompo sy hanatsara
    Satria ny Fitiavan’Izy
    Tompo manefy anao tsy handray fa hizara
    Tsy hoe fadiran’ovana tsy manana
    Fa sahy manome ny aina sy ny ananana
    Izay no fahantrana am-panahy : tsy voagejan’ny tombon-tsoa sy ny ahiahy NY fitiavany...;
    Satria ny Fitiavan’Izy Tompo no miantso anao ho mafy sy ho mpanarina Satria ny Fitiavan’Izy Tompo eny ê! Manainga anao tsy hanaiky ny tsy marina
    Tiava marina tokoa dia ataovy izay tianao hatao!

ความคิดเห็น • 1

  • @ravelonoromariaangela2987
    @ravelonoromariaangela2987 2 หลายเดือนก่อน

    JESOA O MATOKY ANAO AHO AMEN 🙏🙏🙏🧎‍♀️🧎‍♀️🥰🧡🧡