Vetson'i Fianara - Atolotra ampitiavana

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 4 ก.ย. 2022
  • 👉🎁 • NATERAKY NY FIANGONANA...
    ATOLOTRA AMPITIAVANA
    Ny masoandro efa nilentika
    ka manjenjigna aminay atoy
    Koa ny maizigna ro te hanjaka
    Tompo ô, hazavao ny fonay
    Tompo ô, raiso an-tananao ny ainay e
    Atolotsay am-pitiavagna
    Mba ho fisaorana anao
    Atolotsay am-pitiavagna
    Mba ho fisaorana anao
    Ireo ezaka nifandrimbognana
    Ny fahombiazan'izay nahafaly
    Ny havizahana mety ho haza
    Tompo ô, havaozy ny herinay
    Tompo ô, raiso an-tagnanao ny ainay e
    Atolotsay am-pitiavagna
    Mba ho fisaorana anao
    Atolotsay am-pitiavagna
    Mba ho fisaorana anao
    Havan-tiagna any lavitsa agny
    Reo agnila niboaka hafaleana
    Mba jereo ihany koa ireo sahiragna
    Tompo ô, zandrinao aby agnay
    Tompo ô, raiso an-tagnanao ny ainay e
    Atolotsay am-pitiavagna
    Mba ho fisaorana anao
    Atolotsay am-pitiavagna
    Mba ho fisaorana anao
    Tebiteby agnatin'ny aligna
    Ny ahiahy tsa hahatotosa dia
    Te hisisika leky ny tahotsa
    Aza avela ho resy agnay
    Tompo ô, raiso an-tagnanao ny ainay e
    Atolotsay am-pitiavagna
    Mba ho fisaorana anao
    Atolotsay am-pitiavagna
    Mba ho fisaorana anao Tompo ô...

ความคิดเห็น • 7