Inty aho, Jesoa - HIRA KATOLIKA

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 3 พ.ค. 2022
  • 👉 • FOINY MANONTOLO IZAO T...
    1. Inty aho Jesoa ô, hanara-dia Anao
    Herezo isan’andro mba ho tody soa
    Manolo-tena aho ho Anao mandrakizay
    Ho sanatriaviko ny hivadika.
    2. Efa fantatrao tokoa, ny fahosako izao
    Herezo re ny diako mba ho tody soa
    Manolo-tena aho ho Anao mandrakizay
    Ho sanatriaviko ny hivadika.
    3. Marobe ny vokatra, vitsy ny olona
    Hanolo-tena aho ho an’ny sahanao
    Ataoko avokoa, ho hefaiko an-jotom-po
    Ny asanao Jesoa ; matokia re.
    4. Ry Fanahy Masina ô, Midina ato aminay
    Herezo re ‘zahay hitory ny hafatrao ry Ray
    Hitory teny soa an-kasahiana
    Fanahy Masina ô, midina re.
    Fiv. : Raiso aho Jesoa fa tiako anie Ianao
    Sitrapoko ny hanara-dia Anao
    Ny fiainako tontolo no voababonao
    Manantena aho fa ho raisinao (in-2)

ความคิดเห็น • 53

  • @mampiononaraymonde127
    @mampiononaraymonde127 26 วันที่ผ่านมา

    Manantena aho Jesoa ô fa ho raisinao ❤

  • @samdadds6284
    @samdadds6284 2 ปีที่แล้ว +20

    Na tsy voasarika hanao Pretra aza aho dia vonona hatrany ny hanaradia an' i Jesoa ary tiko ity hira ity fa mampisaina miaraka amin' ilay sary hanaingonareo azy dia mampivavaka mihitsy!!! mankasitraka ny nizara eee!!! 🥰😍🤩😘

  • @angelinerazanamasyangeline7849
    @angelinerazanamasyangeline7849 2 ปีที่แล้ว +11

    RAISO AHO JESOA FA TIAKO ANIE IANAO....AMÈN 🙏 🙏 🙏 ❤
    Misaotra mankasitraka indrindra tompoko, tena tsara be ty hira ity...mampisaina...mora hiraina fa saro-panatanterahana...nefa tsy kivy na dia izany aza fa manao izay kely mba vita...mankasitraka e 🙏🙏🙏❤

  • @luciennehoareau2354
    @luciennehoareau2354 2 หลายเดือนก่อน

    Fantatrao fa tiako anie ianao Jesoa Amen ❤🙏🙏🙏🕯

  • @samuelaimeandriambololona7850
    @samuelaimeandriambololona7850 2 ปีที่แล้ว +8

    Mankasitraka indrindra fa tena tsara io hira io!!! ❤

  • @lalaeraste-uk6og
    @lalaeraste-uk6og ปีที่แล้ว +2

    Fanolorantena isan Android,izay hiderako an Andriamanitra be voninahitra, amen

  • @olivierraherinjatovo5430
    @olivierraherinjatovo5430 ปีที่แล้ว +4

    Manolo tena aho, ho anao mandrakizay. Ho sanatriaviko ny hivadika... Raiso aho Jesoa 🙏🙏🙏❤️😇

  • @lalaeraste-uk6og
    @lalaeraste-uk6og ปีที่แล้ว +1

    Fanavaozana isan andro n'y fanolorantena ,amen amen amen

  • @CKL_yuri
    @CKL_yuri 9 หลายเดือนก่อน +1

    Mankasitraka hoany olona namorona hira ty tegna tsara be ilay hira misaotra betsaka❤❤❤❤❤❤❤

  • @irinnaandrianarijaona8013
    @irinnaandrianarijaona8013 4 หลายเดือนก่อน +1

    AMEN AMEN MERCI AMEN

  • @irinnaandrianarijaona8013
    @irinnaandrianarijaona8013 3 หลายเดือนก่อน

    VICTOIRE RASOAMANARIVO AMEN HISAORANAY ANIE NY ANARAN I TOMPO ALELOIA ALELOIA

  • @CKL_yuri
    @CKL_yuri ปีที่แล้ว +2

    Mankasitraka tegna tsara be ilay hira ❤❤

  • @nirinaramangasalama3265
    @nirinaramangasalama3265 ปีที่แล้ว +2

    Izay manantona an'i Jeso tsy ho laviny mihitsy, hoy Izy. Raisiny izay Tia s'y manaiky hanara-dia Azy. :-)

  • @jennyannienantenantsoa9748
    @jennyannienantenantsoa9748 2 ปีที่แล้ว +3

    Fahatsiarovana ny Kôminio voalohako tao Andohalo!!! mankasitraka nizara sady efa ela naniriako henoina ity hira ity! Mankasitraka nizara 💕💝💖

  • @CathyRandriamorasata
    @CathyRandriamorasata 2 หลายเดือนก่อน

    Sitrapoko ny hanara- dia anao jesoa o❤

  • @user-uv8ly2kf3o
    @user-uv8ly2kf3o 10 หลายเดือนก่อน +1

    Sitrampoko ny anaradiana 🙏🙏🙏🙏🙏😭😭😭

  • @nirinaramangasalama3265
    @nirinaramangasalama3265 2 ปีที่แล้ว +3

    Inty Aho hanara Dia Anao Tompo o🙏🙏

  • @heritianalilianerazanakoto3091
    @heritianalilianerazanakoto3091 ปีที่แล้ว +1

    Tiko loatra lay hira. Mirary SOA ireo manonka- tena rehetra MBA Ho tody SOA s'y havita SOA n'y voady nataony

  • @patriciabrunet9281
    @patriciabrunet9281 ปีที่แล้ว

    Tena ny fiainako manontolo no voababonao.
    Raiso aho jesoa, fa tiako anie anao

  • @ranaivosonxavier4455
    @ranaivosonxavier4455 ปีที่แล้ว +2

    Tiako hatrany Ianao ry Jesoa... Misaotra ary mankatelina Ary Mankasitraka Anao hatrany aho.

  • @tywa68
    @tywa68 2 ปีที่แล้ว +8

    Izany ka hira tsara : misaotra indrindra tompoko.

  • @magloirerakotomavo-mh2vq
    @magloirerakotomavo-mh2vq ปีที่แล้ว +2

    Merci, Amen

  • @danienanny101
    @danienanny101 2 ปีที่แล้ว +6

    "Efa fantatrao tokoa ny fahosako izao.... Manantena aho fa ho raisinao..." Ela mihitsy no nitadiavako an'ity hira ity. Misaotra an'ilay nampiditra azy tato.

    • @vavakahirakatolika4187
      @vavakahirakatolika4187  2 ปีที่แล้ว +1

      Mankasitraka anao koa izahay ary mampazoto anay hamoaka ireo izay mbola takotakona efa ela tsy renareo ireny eee!!

    • @villafitiavana8351
      @villafitiavana8351 ปีที่แล้ว +1

      Manolo tena anao Aho Jesoa sy ny @ Fiangonana .Efa latsa- paka ny ny fitiavako anao ka enganie ka ny ny olona rehetra hahatsapa ny Fitiavanao Ary hanara- Dia anao MBA ho maro ny hanolo- tena @ sahanao .Tena Tia anao Aho Jesoa

  • @anitachris9271
    @anitachris9271 8 หลายเดือนก่อน

    Raiso aho jesosy fa tiako loatra anao ❤

  • @zolalainaandriamampianina9872
    @zolalainaandriamampianina9872 6 หลายเดือนก่อน +1

    Eny, hosanatriaviko , ny hivadika

  • @irinnaandrianarijaona8013
    @irinnaandrianarijaona8013 4 หลายเดือนก่อน

    AMEN. AMEN AMEN MERCIE

  • @angeloramarolahy2308
    @angeloramarolahy2308 3 หลายเดือนก่อน

    Misaotra Mompera Augustin raiso aho Jesoa ho soa anie ny dihanao eo anilan Jesoa mivavaha ho anay

  • @ninanina-ju2qn
    @ninanina-ju2qn หลายเดือนก่อน

    ❤❤❤❤

  • @olgabesoa3335
    @olgabesoa3335 ปีที่แล้ว +2

    Amen amen amen 🙏🏿🙏🏿🙏🏿

  • @mielboniface8747
    @mielboniface8747 11 หลายเดือนก่อน +1

    Tena mahafinaritra ahy mihintsiny io hira io manampy ahy @ fiainako 🙏🙏🙏🙏🙏❤️

  • @julierajaonarison8426
    @julierajaonarison8426 4 หลายเดือนก่อน

    💖🙏

  • @nirinaramangasalama3265
    @nirinaramangasalama3265 2 ปีที่แล้ว +2

    Manara-dia an'i Jeso Tiana. :-)

  • @lucienneravoavy2190
    @lucienneravoavy2190 10 หลายเดือนก่อน +1

    ❤❤❤

  • @rabemanantsoafabrice7625
    @rabemanantsoafabrice7625 ปีที่แล้ว +2

    tsara ity hira ity hira fihiran'ireo FET

  • @NicoleRakotomamonjy
    @NicoleRakotomamonjy 2 หลายเดือนก่อน

    Amen.

  • @tinafrancela9484
    @tinafrancela9484 ปีที่แล้ว

    Tafiditry lalina ato ampoko ity hira ty ❤❤❤

  • @elizarahiafy9561
    @elizarahiafy9561 2 ปีที่แล้ว +2

    Fanahy masina o midina re

  • @tinafrancela9484
    @tinafrancela9484 ปีที่แล้ว

    Mankasitraka eee ❤❤❤❤

  • @sabrinahmahaleo6036
    @sabrinahmahaleo6036 9 หลายเดือนก่อน

    Amen 🙏❤

  • @norominoary5078
    @norominoary5078 ปีที่แล้ว +2

    tiko loatra

  • @samsungsamsung5632
    @samsungsamsung5632 ปีที่แล้ว +1

    Amen ❤ 🙏 ❤

  • @raissaraissa5443
    @raissaraissa5443 2 ปีที่แล้ว +3

    🙏❤️❤️❤️❤️

  • @ambodimangaolivienne7342
    @ambodimangaolivienne7342 ปีที่แล้ว

    Mankasitraka eeee

  • @jinkalane5970
    @jinkalane5970 ปีที่แล้ว

    Amen ❤️🙏

  • @annickrazanakoto3281
    @annickrazanakoto3281 ปีที่แล้ว

    Tiko be misaotra

  • @RindranalaMaguy
    @RindranalaMaguy ปีที่แล้ว +1

    Tsara tokoa🥰iza kay zany no nihira ity hira ity teto ?

  • @zaradeniz9373
    @zaradeniz9373 ปีที่แล้ว

    🙏🙏🤲🤲☝🏾🙇❤️❤️❤️

  • @sylviarahaingomanana7013
    @sylviarahaingomanana7013 2 ปีที่แล้ว +1

    Tiako loatra

  • @irinnaandrianarijaona8013
    @irinnaandrianarijaona8013 5 หลายเดือนก่อน

    VICTOIRE. RASOAMANARIVO MISAOTRA. OH