Ny ampitso no hitsara (Bessa 2014-Mpihira sy mpitendry tsy fantatra anarana)

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 21 ก.ย. 2024
  • Hammond B3 Organ.
    Mifeheza tena hanam-pahendrena
    Tsy ho baikoin’ny sendaotra ao am-po
    Halalaho ny saina, aza dia terena
    Hamaly eo noho eo ratra iray nahavoa
    Mandiniha aloha, aoka tsy ho maika
    Ndrao hanenenanao izay vita avy eo
    Aleo lavitra aza mody tsy miraika
    Kanjo ny voka-tsoa tena kendreo
    Fa tsy maty akory
    Ilay atao hoe "tody"
    Na dia mihamaro ireo jiolahy ratsy fanahy
    Koa dia tehirizo ny fonao madio
    Aoka ny ampitso no hitsara ny anio
    Ny tanora mantsy dia mangetaheta
    Tontolo soa madio ts’isy longoa
    Faniriana izany nefa mahareta
    Izay nambolena anio ela vao mety hamoa
    Mamafaza tsara, mambole finoana
    Fa tsy mandrakizay izao hita izao
    Mbola hisy andro, ora sy fotoana
    Tsy maintsy hijinjanao izay asanao
    Fa tsy maty akory
    Ilay atao hoe "tody"
    Na dia mihamaro ireo jiolahy ratsy fanahy
    Koa dia tehirizo ny fonao madio
    Aoka ny ampitso no hitsara ny anio

ความคิดเห็น • 14

  • @solomampioninarazanadrakot952
    @solomampioninarazanadrakot952 3 หลายเดือนก่อน

    tena tsara

  • @miravoramarolahy5578
    @miravoramarolahy5578 ปีที่แล้ว +5

    Rindra Éric Rakotosaonina no eo amin'ny Orgue Diamondra, Hasimbola Ramanantsoa no mihira azy

  • @lilaramananjaona3858
    @lilaramananjaona3858 2 หลายเดือนก่อน

    Mba alefaso ato raha misy manana version originale Zoely Ratsimbazafy

  • @rolandapostinona6107
    @rolandapostinona6107 ปีที่แล้ว +5

    Hitako ry reto ilay mpihira a ! Hasimbola Ramanantsoa, ny mpitendry dia Rindra Rakotoarisaona !

    • @rabemanantsoarado5725
      @rabemanantsoarado5725 ปีที่แล้ว

      Tonga dia fantatra foana raha vao Rindra no mandray orgue! matsiro be! efa nampoiziko miits!

  • @rolandapostinona6107
    @rolandapostinona6107 ปีที่แล้ว +1

    Cà doit être la meilleure version ! Orgue et voix ! Elle bat de loin celle de Zoely !

  • @rolandrazonarison4483
    @rolandrazonarison4483  2 ปีที่แล้ว +1

    Fier d'être malagasy dans sa pauvreté mais aussi dans toute sa splendeur.

  • @andryidealy9809
    @andryidealy9809 8 หลายเดือนก่อน

    Babo aho fa kanto lôtra

  • @andriamanirakabetsiharifid2579
    @andriamanirakabetsiharifid2579 2 ปีที่แล้ว

    Tena tsara, mankasitraka ny mpizara. Misaotra ny mpitendry sy mpihira fa mamelombelona ny fanahy ny kanto ataonareo

  • @rolandrazonarison4483
    @rolandrazonarison4483  2 ปีที่แล้ว

    Aoka ilay mpihira mba hanonona ny anarany ! Tahaka izany koa ilay organiste !

  • @hanitraandriamparany9084
    @hanitraandriamparany9084 ปีที่แล้ว

    Merci pour les paroles

  • @josephrab8913
    @josephrab8913 ปีที่แล้ว

    Tsara loatra. Misaotra ny mpizara.

  • @fafarafara3803
    @fafarafara3803 ปีที่แล้ว

    Merci, mahafinaritra be

  • @nyainanambinintsoarazafinimpia
    @nyainanambinintsoarazafinimpia ปีที่แล้ว

    sona sy zoely Ratsimbazafy