Herinandro voalohany / VAVAKA HASIVI-KERINANDRO JMJ MADA X Antsirabe
ฝัง
- เผยแพร่เมื่อ 3 ธ.ค. 2024
- Herinandro voalohany (27 jona 2022 - 03 jolay 2022) : VAVAKA HO AN’NY PAPA SY NY EVEKA ARY NY PRETRA MIARAKA AMIN’NY OLOMASINA MASINDAHY JOANY PAOLY II
Famantarana ny Hazofijaliana
Hohamasinina sy hotiavina anie ny Fo Masin’i Jesoa ao amin’ny Tabernakla manerana an’izao tontolo izao, mandra-pahatapitr’izao tontolo izao.
Deraina sy ankalaizana mandrakizay anie ny Fo Masin’i Jesoa anio sy mandrakizay.
Masindahy Joany Paoly II: mivavaha ho anay.
Ry Andriamanitra Trinite Masina ô, misaotra Anao izahay tamin’ny nanomezanao anay an’i Md Joany Paoly II. Nampianatra anay ny fanajana ny Lakroa sy ny Fanahinao Masina izy. Ny fanetre-tena sy ny fahafoizan-tenany no nahafahanay nahafantatra bebe kokoa an’i Jesoa Mpiandry ondry tsara sy nanoro anay ny fanompoana ny fiangonana tsy misy fetra. Miaraka aminy no hangatahinay izao vavaka izao: ho an’ireo mpanao raharaha masin’ny fiangonana rehetra, ny Papa, ny Eveka ary ny Pretra sy ireo Relijiozy; mba ho hain’izy ireo ny hampita sy hikolokolo ny finoana an’i Jesoa eo amin’ny tanora. Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay no angatahinay izany. Amen.
Rainay any an-danitra … (1)
Arahaba ry Maria … (10)
Voninahitra anie … (1)
Vavaka ho an’ny JMJ Mada X
Amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina. Amen.