MR SAYDA - DADAKO (Official Music Video)

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 20 พ.ย. 2024

ความคิดเห็น • 9

  • @mampitaiorenana919
    @mampitaiorenana919 4 ปีที่แล้ว +4

    Tsy afaka ny hamafa fahatsiarovana
    Satria koa voninkazo tsy mba folaka
    ny fisinao tamin'ny fiainako dada malalako
    dia nanontany tena aho hoe nahoana
    toa rovitra ny pejy ao am-povoany
    tanatin'ilay boky izay mamatotra
    ny fisiako amin'ny fisinao
    olombelona ihany aho mety malahelo
    mety tafitomany aho rehefa tafahelo
    tao am-po mangina mihika mamerovero
    ilay feonao
    bitsibitsika anaty horakoraka
    aza tsiny fa androany aho dia hamboraka
    ny ao anaty izay niniako notakomana
    fa mampatsiaro anao
    fa lasa ianao izaho toa zaza voakapoka
    dia lasa ianao zay vao tsapako maloka
    reo tontolo misy antsika tsy hifangaro
    nefa ny kamboty nilaozana mahatsiaro
    fa na aiza misy anao any fantaro
    fa ianao tsy hadino mandrakizay
    na izany aza ny lalana lalovana
    satria tsy afaka hijanona eto aho
    na tsy sitrana ny foko fa torovana
    ny aloka navelanao toa mampisento ahy
    nangovitra ny tanako manoratra
    ranomaso toy ny rotsak'orana
    ho ariana ve ny boky sa hodorana
    fa lova sarobidy ny anaranao
    dia anjarako ny manohy ny tantaranao
    apinga ho entimiady izay nafaranao
    satria ato am-poko ato ny mahafary anao
    bitsibitsika anaty horakoraka
    aza tsiny fa androany aho dia hamboraka
    ny ao anaty izay niniako notakomana
    fa mampatsiaro anao
    fa lasa ianao izaho toa zaza voakapoka
    dia lasa ianao zay vao tsapako maloka
    reo tontolo misy antsika tsy hifangaro
    nefa ny kamboty nilaozana mahatsiaro
    fa na aiza misy anao any fantaro
    fa ianao tsy hadino mandrakizay

  • @narovanianasarobidy8521
    @narovanianasarobidy8521 4 ปีที่แล้ว +2

    manpahery ireo dada ts miraha2 zanaka ireny ee

  • @fyannahnoumentsoa799
    @fyannahnoumentsoa799 4 ปีที่แล้ว +2

    Mampahery ireo dada nandao ireo zanany

  • @tokynyaina7638
    @tokynyaina7638 4 ปีที่แล้ว +5

    Mampahery an'ireo izay efa nilaozan-dray rehetra...

  • @lalalalaina1642
    @lalalalaina1642 4 ปีที่แล้ว +4

    Mandria am_piadanana dada

  • @razanadraibesantaclamee54
    @razanadraibesantaclamee54 4 ปีที่แล้ว +1

    Mety be aminao ilay volo toy izao Saida!

  • @soamiadanavaleriezomanandr7560
    @soamiadanavaleriezomanandr7560 4 ปีที่แล้ว

    T

  • @nabapaqo4658
    @nabapaqo4658 4 ปีที่แล้ว

    Tsy afaka ny hamafa fahatsiarovana
    Satria koa voninkazo tsy mba folaka
    ny fisinao tamin'ny fiainako dada malalako
    dia nanontany tena aho hoe nahoana
    toa rovitra ny pejy ao am-povoany
    tanatin'ilay boky izay mamatotra
    ny fisiako amin'ny fisinao
    olombelona ihany aho mety malahelo
    mety tafitomany aho rehefa tafahelo
    tao am-po mangina mihika mamerovero
    ilay feonao
    bitsibitsika anaty horakoraka
    aza tsiny fa androany aho dia hamboraka
    ny ao anaty izay niniako notakomana
    fa mampatsiaro anao
    fa lasa ianao izaho toa zaza voakapoka
    dia lasa ianao zay vao tsapako maloka
    reo tontolo misy antsika tsy hifangaro
    nefa ny kamboty nilaozana mahatsiaro
    fa na aiza misy anao any fantaro
    fa ianao tsy hadino mandrakizay
    na izany aza ny lalana lalovana
    satria tsy afaka hijanona eto aho
    na tsy sitrana ny foko fa torovana
    ny aloka navelanao toa mampisento ahy
    nangovitra ny tanako manoratra
    ranomaso toy ny rotsak'orana
    ho ariana ve ny boky sa hodorana
    fa lova sarobidy ny anaranao
    dia anjarako ny manohy ny tantaranao
    apinga ho entimiady izay nafaranao
    satria ato am-poko ato ny mahafary anao
    bitsibitsika anaty horakoraka
    aza tsiny fa androany aho dia hamboraka
    ny ao anaty izay niniako notakomana
    fa mampatsiaro anao
    fa lasa ianao izaho toa zaza voakapoka
    dia lasa ianao zay vao tsapako maloka
    reo tontolo misy antsika tsy hifangaro
    nefa ny kamboty nilaozana mahatsiaro
    fa na aiza misy anao any fantaro
    fa ianao tsy hadino mandrakizay