Zandrin'I Jesosy - Tanora Masina Itaosy

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 25 พ.ย. 2024
  • ZANDRIN' I JESOSY
    .
    1° Ho anao namako hatrizay
    No hanolorako ty hira iray
    Tongasoa an-tranon-dRay fa efa ela izay
    No niandrasanay anao mba handray
    Fotoana izao iantorahanao
    Fa ny Tompo anie dia tsy mba mandao
    Nefa mitandrema ihany fa misy ireo tsy ho faly
    Ny hahita anao handray izany
    .
    Pont:
    Tsy ho moramora
    Ny handre ny akoran'ireo namanao
    Fa làlam-baovao no izoranao
    Satria mbola oran'ireo mpanakora
    Zao iainantsik'izao
    Mbola ho avy anefa ny anjaranao
    .
    Ref: Ny tsy finoana (sy ny famoizam-po)
    No injao mandona (te hameno ny loha)
    Rehefa injay fa mafimafy 'reo adim-piainana
    Ka tsy hita izay hitarainana
    (Raha mafimafy ny fiainana)
    Jesosy antsoina (f' Izy Ilay tsy mandao)
    N' inon' hidona (Izy anie zokinao)
    Zanak' Andriamanitra ianao ka tsy ho laviny
    Fa ekeo izay fitantanany 'reo zandriny
    .
    2° Lalao niainanao taloha
    Sy ny fomba ratsy nandratra fo
    Avelao any avokoa satria tsy mahasoa
    So fa teo Jesosy nanova tokoa
    Ny ho avy izao no ho banjininao
    Tsy hamerenanao reo ota natao
    Nefa mitandrema ihany fa misy ireo tsy ho faly
    Ny hahita anao hiova toy izany
    .
    Pont: (...)
    .
    Ref: (...)
    Tanora Masina Itaosy (Martsa 2018)
    Volume 9
    A/C: LovaN

ความคิดเห็น •