Vonjeo ny Taninay - Tanora Masina Itaosy
ฝัง
- เผยแพร่เมื่อ 2 ต.ค. 2024
- 1 -- Ray ô ! ampio izahay fa mizaka irery 'zao fiainana izao
Mifona raha nanilika Anao tsy hamerina intsony fa aza mandao
Hiezaka mba hanadio ary koa hanavao ny fo fanahinay
(Hanao) ho arak'izay tadiavinao mba ho mendrika Anao sy ny fitiavanao
Ny fihavananay sy ny fifankatiavanay
Nanjary ho fifandrafesana
Ref : (x 2)
VONJEO NY TANINAY fa mijaly
Vonjeo fa mijaly izahay
Tompo ô! mino manantena Anao izahay
Ô! Ô! Hanavao indray ity nosinay
2 -- Aza avela hifanoto na hisy antoko etsy sy eroa e!
Aleo hitambatra ho iray satria tsy misy hafa samy zanakao
Jereo anie fa mampahonena ireo mosarena sy ireo malahelo
Toa efa kivy ny tsy mahita ny anjara masoandrony hatramizay
Ny amin'izy ireny dia apetraka Aminao
'Zay Tompon'ny haren'ny taninay
Ref : (x 2)
Tonony sy feony : SDN
Raki-kira : Vol 3 (2004)
Vonjeo Tompo ny Tanindrazanay efa ho 62 taona katroka androany nahazoana fahaleovan- tena. Mba hiadana sy ho finaritra anie i Madagasikara malalanay. Amen!
Ndriiiii mahatonga saina b ahy ity.hiranareo ity
Misaotra nareo aho 😭😭😭😴😔🙏🙏🙏🙏🙏
Tompo ô mino sy manantena Anao izahay, hanavao indray ity Nosinay. AMEN
tsara ty hira ty! Mila famonjena ity tanintsika ity fa tena mijaly!
Hoy ny Tompo, fa raha ny oloko izay efa nantsoiko no ho tonga hanetry tena ,ary mba hibebaka dia ho avy hanasitrana ny taniny aho!Ny Ray ao ambony ilay be hindra fo anie anomé fahendrena ho an ny tsirairay avy ao @ io tanidrazana malala io! au Nom de Jésus christ!!!!
Marina tokoa Ry Tompo malala fa mila ANAO ity firenenay ity aza avela irery izahay.
tsara tena tsara ity hira ity mankasitraka indrindra
Oay, hitako tampoka Teo ny tonon'ity hiranareo iTy. Ary sao mba misy ny tonon'ireo clip Hafa ? Merci, tena Tiago daholo ny texte sy mélodie ny hiranareo. Mahereza !
mahababo fo zah eky hira ty aiiiiii
aronnn misaotra fa mahazo hery zah rah vao mihaino ity hira ity, sady ngoma an Gasikar ,Tongava Jesosy vonjeo ny taninay fa mijaly Amen
Jesosy o tahio ny taninay! Miorena ,manjaka ao ianao Amen!Mankasitraka indrindra anareo Chorale tahian I Jesosy hatrany !!
Mankasitraka anareo FLM fa tena tsy misy na dia iray aza zay hira henoko ka tsy mampisento satria dia mitondra fisainana lavitra .
Voninahitra ho an'Andriamanitra irery iany.misaotra tanora masina itaosy fa mampietsimpo...
Mifona raha nanilika anw aho Tompo ô ,, tena mifinaee fa ts hanerina itsony ee anao aho Madrakizay Tompo ô
Tsara be le hira le feo mahafinaritra be. Misaotra anareo 🙏🙏🙏🙏🙏❤❤🇲🇬🇲🇬🇲🇬
tsara loatra izany hira izany. Mahefa be @asan'i Tompo ry reto a
Mitombo talenta hatrany ,tohizo ny fitorina ankira .tahian Andriamanitra
Tens mankasitraka aminy fo manontolo tokoa ry Tanora Masina a ,sendra ihany fa EFA taty aminay ianareo de tohizo hatrany fa tena mahery be izahay miheno anareo tahiny TOMPO daolo e
Marina izany Tompo ô fa tongan' ny Satana ny fifehezana eto amin'ny taninay
Ray o! Ampio izahay fa Mijaly sy Mahantra. Mino anao izahay Andriamanitra ka aza avela ho irery toy izao
Mba Mitalaho sy Mangataka aminao mba hahazo ny anjara masoandronay tsirairay avy
Jesosy ô! Tsinjovy ireto Vahoakanao Zanakao Mba Henoy Ny Vavaka ho an'i Nosinay.
VONJEO NY TANINAY fa mijaly
Vonjeo fa mijaly izahay
Tompo ô! mino manantena Anao izahay
Ô! Ô! Hanavao indray ity nosinayAmen.
Vonjeo ny taninay;ilain'ny firenena io hira io @ zao andro farany zao satria tena vavaka mihintsy
O
Tsara be NY arrangement
Mendrika be lay feon Basse sy tenor👍 ao anatiny.,mivoaka be.NY soprano sy Alto EFA ts lazaina koa
Afa ihany tanora masina itaosy derain fona tompo maefa b asan'ny tompo
Sô de mba afaka mahazo playback an'io hira kay azafady fa mba hanao interpretation ??, raha mety tompoko misaotra indrindra
vonjeo zahay jesosy kristy o
MIARA MIFONA AMINAO IZAHAY JESOSY TSY MISY TSY NANOTA TAMINAO SY TAMIN'ITY TANINAY ITY god bless dago GBD
Ho tanteraka tokoa anie izany!
Mankasitraka Anareo o!
Tsara be ilay hira fiderana!! mankasitraka tompoko !
mino manantena ano tokoa zahay ry Tompo hamonjy ny taninay ao anatin'ny fahantrana lalina mba tsy ho tia tena ireo manana fa hahay hizara ireo tsy manana , ireo ory , ireo mijaly Amena
amena...
Tsara ery ilay hira…..
tena mahfintra lay hira mazto reto ah
vonjeo ny taninay fa mijaly
Tompo ô mino manantena Anao izahay hanavao indray ity nosinay 😢😢😢
tsara daholo ,afa ihany oa le midera ,mamelombelona ny fanahy mila ho osa indraindray
Amen!
Ray ô ampio zahay fa miaraka irery izao fiainana2 izao..💕
Aameen Aameen 🙏🙏🙏
Mino sy manantena Tompo fa ho vonjenao ny taninayMankasitraka ny mpihira , ny voninahitra ho an ' Andriamanitra irery iany !
mlay be ilay hira,tiko be
Tsara koa iTy iray iTy an!
Andriamasinoro Fitahiantsoa
Manana originalité nareo!!!
Misaotra mizara. Mahamanina b. Eeeh.
Makasitraka tompoko
Tompo ô, mino, manantena Anao zahay, hanavao, hitahy ty tany. Amen
Amen
vonjeo ny taninay fa mijaly Jesosy!
Tsara tena tsara
Mankasitraka anareo
tsar be leity hira ity
Mankasitraka o !
vojeo ny taninay
amen Jesosy oo
vonjeo zay Tompo o
mankasitraka o!
Misaotra ô ô
Tiako eee
tsara B
🥺🥰🙏
amen !