Atrikaasa Fanehoana ny tetikasa FOOD SEC eto amin'ny Ranomasimbe Indianina
ฝัง
- เผยแพร่เมื่อ 26 ม.ค. 2025
- 𝗡𝘆 𝗠𝗮𝘀𝗼𝗺𝗯𝗼𝗹𝘆, 𝗙𝗼𝘁𝗼𝘁𝗿𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗵𝗮𝗹𝗲𝗼𝘃𝗮𝗻𝘁𝗲𝗻𝗮 𝗔𝗿𝗮-𝘁𝘀𝗮𝗸𝗮𝗳𝗼 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗺𝗽𝗮𝗻𝗱𝗿𝗼𝘀𝗼𝗮𝗻𝗮 𝗠𝗮𝗵𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮
👉Mitana andraikitra lehibe amin’ny fampandrosoana maharitra eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fanjarian-tsakafo ny masomboly. Izy no manampy amin’ny fitomboan’ny vokatra ara-pambolena sy ny fahazoan-tsakafo ho an’ny mponina. Manoloana izany, miezaka manatanteraka vina mazava ny tetikasa Food-Sec Semence: ny hanatsara sy hanamafy ny sehatry ny masomboly mba hahafahana manome vahaolana mahomby ho an’ny filàn’ny mpamboly sy hanohanana rafitra ara-tsakafo maharitra, sady mahazaka ny fiovaovan’ny toetr’andro.
✅Ho dingana voalohany amin’ny fanatanterahana izany vina izany, dia notanterahina ny atrikasa fandraisana anjara sy famakafakana natao tao amin’ny FOFIFA, Ampandrinomby, ny 10-12 Desambra 2024. Nahitana solontena avy amin’ny fikarohana, ny sampan-draharaham-panjakana ary ny sehatra tsy miankina. Nifantoka tamin’ny famolavolana drafitra sy paikady hentitra ho fanamafisana ny sehatry ny masomboly ny fifampizarana nandritra izany, mba ho vato fototra ho amin’ny fahaleovantena ara-tsakafo eto Madagasikara.
#MINAE
#MESUPRES
#FOFIFA
#Cirad
#sanoi
#foodsecsemence