Misy tanana mitsotra (Ndriana Ramamonjy)

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 21 ต.ค. 2024
  • 1. Misy tanana mitsotra
    Te hamihina ny tananao
    Misy maso manantena
    Fa hahita indray ny endrikao
    Misy fo mitepo mino
    Fa hiverina aminy ianao
    Ka ho tsapanao indray.
    Ilay fomba namonjeny anao
    Nandatsahany ny rany
    Tamin’ny hazofijaliana
    Tamin’izay ianao
    Diboka hafaliana.
    Fantatrao fa zava-poana
    Raha izao tontolo izao
    Sady hita ho miharatsy
    Raha izao fiainana izao
    Fantatrao ny lalana mody
    Hiverenana amin’ny Rainao
    Izay ihany no fanafody
    Afaka hanavao anao
    2. Misy maro no miandry
    Famonjena izay noraisinao
    Misy maro ireo mahantra
    Te hitafy fitafiana vao
    Misy maro koa ‘reo noana
    Miandrandra Ilay Mofon’aina
    Ianao nandray izany
    Moa ve azony antenaina ?
    Ivereno, ivereno
    Ny fitiavana voalohany
    ‘Ndeha hiara-dia isika
    Hanaitra ny finoany.

ความคิดเห็น •