Marie Michelle Sahondrarimalala no tsara toerana indrindra ho Filohan’ny Antenimieram-pirenena

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 21 ต.ค. 2024
  • Antenimierampirenena : Ny Minisitry ny Fanabezam-pirenena teo aloha, solombavambahoaka voafidy tao Fianarantsoa voalohany Marie Michelle Sahondrarimalala no tsara toerana indrindra handray ny toeran’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena raha ny nambaran’ireo solombavambahoaka IRMAR. Isan’ny tombony ho azy ny maha vehivavy azy no sady nanao poa-droa izy tao Fianarantsoa I tamin’ny fifidianana solombavambahoaka teo. Mandritra ny fivoriana manokana na session speciale ho tanterahan’ireo solombavambahoaka vao voafidy amin’ny talata 09 Jolay izao moa no hametrahana ny mpikambana vaovao ao anatin’ny Birao Maharitry ny Antenimieram-pirenena.
    SONGADIM- BAOVAO REAL NEWS- NY VAOVAO MARINA 28 ZOMA JONA 2024

ความคิดเห็น •