🎼Raisiko ho ahy - Mahaleo 🎶 Raisiko ho ahy ny hadisoana Izaho indray no hifona Nefa aok'izay f'aza avela hilona ataovy heloka hibaboana. Aoka hatao hoe ahy ny tsiny nahatonga iny ady iny ka mba mangata-pamelana aza ivindavindana. Ao re lala oh fa mifona nanao teny tsy tsaroana mitsikia,mangina moa mitsikia aloha etsy hotoniako ny fo. Raha toa aho manetry tena sanatria tsy fahalemena fa raha toa samy sorena tsy afaka idinika am-pahendrena raha mitady filaminana aza asetrinao fahanginana aza mikotrika valifaty fa avoay ny ao anaty. Sao dia tezitra aho ny hiafarany farany io havelako any tombontsoa.... Ho an'iza moa? Iza no ho voa? Tsisy afa-tsy isika roa. Tezitr'ianao, tezitra foana tsy hay intsony hoe nahoana mimonjotra toa trondro moana ny tambitambiko zava-poana inona moa ilay nampiady teo? Toa tsy tsaroako akory izay niseho fa erikerika lasa tondra-drano ady kely lasa angano. Toa izay no fiandohany ady kely tsy voavaha toa izany no mitombo, lasa atambo mampisara-droa ny olona mifankatoa.
ndri generation nifandimby tia anareo ry mahaleo nanomboka tamin'ny Ray aman dreninay , ny zanakay mbola zazakely koa dia efa mankafy indray ankehitriny mankasitraka mandria am piadanana Dadah sy ny namana efa lasa.
🎼Raisiko ho ahy - Mahaleo 🎶
Raisiko ho ahy ny hadisoana
Izaho indray no hifona
Nefa aok'izay f'aza avela hilona
ataovy heloka hibaboana.
Aoka hatao hoe ahy ny tsiny
nahatonga iny ady iny
ka mba mangata-pamelana
aza ivindavindana.
Ao re lala oh fa mifona
nanao teny tsy tsaroana
mitsikia,mangina moa
mitsikia aloha
etsy hotoniako ny fo.
Raha toa aho manetry tena
sanatria tsy fahalemena
fa raha toa samy sorena
tsy afaka idinika am-pahendrena
raha mitady filaminana
aza asetrinao fahanginana
aza mikotrika valifaty
fa avoay ny ao anaty.
Sao dia tezitra aho ny hiafarany
farany io havelako any
tombontsoa.... Ho an'iza moa?
Iza no ho voa?
Tsisy afa-tsy isika roa.
Tezitr'ianao, tezitra foana
tsy hay intsony hoe nahoana
mimonjotra toa trondro moana
ny tambitambiko zava-poana
inona moa ilay nampiady teo?
Toa tsy tsaroako akory izay niseho
fa erikerika lasa tondra-drano
ady kely lasa angano.
Toa izay no fiandohany
ady kely tsy voavaha toa izany
no mitombo, lasa atambo
mampisara-droa
ny olona mifankatoa.
ndri generation nifandimby tia anareo ry mahaleo nanomboka tamin'ny Ray aman dreninay , ny zanakay mbola zazakely koa dia efa mankafy indray ankehitriny mankasitraka mandria am piadanana Dadah sy ny namana efa lasa.
Malahelo ny fo nilaozanao Dadah ah! marina eh!
vao henoko anie tamin'ny onjam-peo dia nanganoano ahy... tsara loatra
Dadah...mbola hiaona isika e. Andraso any izahay. Any an-danitra any!
Olon- droa mifankato. :-)
henoina de ankafizina de hiraina
Fanetre-tena fa tsy fahalemena. Fifonana. Tsiky @ izay. Tsara e. Mankasitraka nizara :-)
Nisy version an'ity anakiray izay tena tsy mety hitako intsony. Tsara koa ity ka.
❤❤❤❤❤
🥰
Tiako foana mintsy
malahelo eeee
❤️😭😭
😭😭❤️
❤️😭
❤️
Deadassa
😔😢
mahafinaritra!!!
🥹🥹🥹🥹