Mahery ara panahy miaraka amin'ny Fanahy Masina Pasteur Sandra RAZAFIMANDRANTO

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 12 ก.ย. 2021
  • Fotoana izao hikarakarantsika ny ara-panahintsika.
    Genesisy 1:2 - 26
    "Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin'ny lalina. Ary ny fanahin'Andriamanitra nanomba tambonin'ny rano."
    "Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika"
    Eksodosy 31:3
    "Ary efa nofenoiko fanahin'Andriamanitra izy, dia fahendrena sy fahiratan-tsaina sy fahalalana ny amin'ny tao-zavatra samy hafa"
    Ezekiela 37:14
    "Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko, dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin'ny taninareo ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho Jehovah no efa niteny sady nahatanteraka izany, hoy Jehovah."
    Jaona 14:26
    "fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masina, Izay hirahin'ny Ray amin'ny anarako, Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo."
    Ny Fanahy Masina no mamelona antsika sy mampahatsiaro antsika ny zavatra rehetra. Tsy mandeha irery isika fa miaraka amintsika foana Jesosy
    Ny Fanahy no mampitovy antsika amin'Andriamanitra.
    Misy karazan'olona tsy ao anatiny intsony ny Fanahy Masina fa ny fanomezam-pahasoavan'ny Fanahy Masina sisa no ao anatiny.
    MILA MANDANY FOTOANA ISIKA MIKARAKARA NY ARA-PANAHINTSIKA!
    Ny Fanahy Masina no mampihaiky antsika ny fahotantsika. Ny olona mahery amin'ny andavanandrom-piainany dia olona manana fanahy mahery. Ary misy koa ny mifanohitra amin'izany
    Ny Fanahy no tsy ho faty mandrakizay
    MANAOVA INVESTISSEMENT HO AN'NY ARA-PANAHINAO!
    Ny Fanahin'Andriamanitra anie hanafaka anao amin'izay rehetra mamatotra anao!
  • แนวปฏิบัติและการใช้ชีวิต

ความคิดเห็น •