Modia Razoky (R-Clée)
ฝัง
- เผยแพร่เมื่อ 7 ม.ค. 2025
- MODIA RAZOKY (R-Clée)
Harivariva ny andro, eto andravarangana eto aho
Maminavina an'i Dada sy Mamako izay
Mahatsiaro ny tantara sy ireo korana
Izay niarahanay fahavelony.
Mangingina ny ankany fa nilaozan'i Dada
Mangingina ny ankany fa nilaozan'i Mama
Rehefa alina ny andro, dia mangina irety aho
Matory tsa mahita tory fa mieritreritra
Vao maraina ny andro dia mifoha irery aho
Nefa reraky ny adin-tsaina nandritry ny alina.
Mangingina ny ato antrano fa nilaozan'i Dada
Mangingina ny ato antrano fa nilaozan'i Mama
Mangingina ny ato antrano fa nilaozan'i Dada
Mangingina ny ato antrano fa nilaozan'i Mama
Fa ny anadahiko agny, dia nandao ahy irery
Izay mba nataoko hihantana hasolo an'i Dada
Ny zaobaviko agny, dia namela ahy irery
Izay mba nataoko hihantana hasolo an'i Mama.
Modia razoky, modia an-tanana (x4)
Soa ihany aho fa nandray an'i Jesosy
Ho Tompo mpamonjy ny fianako itokiako
Ianareo no mandao fa Jesosy tsa mandao
Jesosy zoky sy raiko fialofako.
Faly aho manana anao ry Jesosy malala ô
Faly aho manana anao, nampandresy sy nampitraka
Raha tsy teo ianao aisa re izay nanjoa
Aho leha tsa nisy anao mety namoy fo.
Ieee !
Modimodia razoky e !
Mangingina ny ankany
Modimodia razoky, modia e !
Aho mitoetra irery
Aho zandrinao no miantso
Modia antanana razoky e ! - เพลง