Toriteny alahady 18 febroary 2024

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 17 ก.พ. 2024
  • "𝗠𝗮𝗺𝗽𝗶𝘁𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝗻𝗮 𝗮𝗺𝗶𝗻'𝗻𝘆 𝗱𝗶𝗱𝗶𝗻𝘆 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗶𝗮𝗺𝗮𝗻𝗶𝘁𝗿𝗮"
    Nitondra hanfatra : RANDRIAMIADANJAIKA Fidelis - Mpitandrina
    Andinin-Tsoratra Masina nangalana ny hafatra : Lioka 15 : 25 - 32
    Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy. Ary niantso ankizilahy anankiray izy ka nanontany azy izay anton'izany zavatra izany. Ary hoy ilay ankizilahy taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono ny zanak'omby nafahy ny rainao, satria efa tafaverina soa aman-tsara ato aminy izy. Dia tezitra izy ka tsy nety niditra; ary nivoaka rainy ka nampandroso azy. Fa izy namaly ka nanao tamin-drainy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho tsy mbola nomenao na dia zanak'osy aza mba hifaliako amin'ny sakaizako; fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay efa nandany ny fanananao tamin'ny vehivavy janga, dia namono ho azy ny zanak'omby nafahy ianao. Ary hoy rainy taminy: Anaka, ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako. Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. - Lioka 15 : 25 - 32
    Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra!

ความคิดเห็น •