Toriteny Alahady 03 Martsa 2024

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 2 มี.ค. 2024
  • "Manorina ny fanekeny ny Tompo"
    Nitondra hanfatra : RANDRIAMIADANJAIKA Fidelis- Mpitandrina
    Andinin-Tsoratra Masina nangalana ny hafatra :
    Salamo 89 : 19-37
    19.Tamin'izany ny olonao masina dia nilazanao tamin'ny fahitana hoe: Nametraka famonjena tamin'izay mahery Aho Ary nanandratra ny anankiray voafidy* tamin'ny olona. [*Na: nanandratra zatovo avy] 20. Efa nahita an'i Davida mpanompoko Aho; Ny diloiloko masina no nanosorako azy; 21. Izy no homban'ny tanako; Eny, ny sandriko no hampahery azy. 22. Tsy hamitaka* azy ny fahavalo; Ary tsy hampahory azy ny ratsy fanahy. [*Na: hitaky trosa aminy] 23. Fa handripaka ny fahavalony eo anoloan'ny tavany Aho Sady hamely izay mankahala azy. 24. Ny fahamarinako sy ny famindram-poko homba azy; Ary ny anarako no hisandratan'ny tandrony. 25. Dia hampitoetra ny tanany amin'ny ranomasina Aho Ary ny tanany ankavanana amin'ny ony. 26. Izy hiantso Ahy hoe: Raiko Ianao, Andriamanitro sy Vatolampin'ny famonjena ahy. 27. Ary Izaho kosa hanao azy ho lahimatoa, Ambony indrindra amin'ny mpanjakan'ny tany. 28. Hitahiry ny famindram-poko ho azy mandrakizay Aho, Ary ny fanekeko hampaharetiko aminy. 29. Hampaharitra ny taranany ho mandrakizay Aho, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny faharetan'ny lanitra. 30. Raha mahafoy ny lalàko ny zanany Ka tsy mandeha araka ny fitsipiko, 31. Raha ny teniko no ataony ho fahavetavetana, Ary ny didiko no tsy tandremany, 32. Dia hovaliako tsorakazo ny fahadisoany, Ary kapoka ny helony. 33. Nefa ny famindram-poko tsy hofoanako aminy, Ary ny fahamarinako tsy havadiko, 34. Ny fanekeko tsy hotsoahako, Ary ny nolazain'ny molotro tsy hovako. 35. Izao zavatra iray loha izao no nianianako tamin'ny fahamasinako, Tsy handainga amin'i Davida mihitsy Aho: 36. Ny taranany haharitra mandrakizay, Ary ny seza fiandrianany ho tahaka ny masoandro eo anatrehako; 37. Hampitoerina mandrakizay tahaka ny volana izy, Tahaka ny vavolombelona marina any an-danitra*. - Salamo89 : 19-37
    Ho an'Andriamanitra irery ny voninahitra!

ความคิดเห็น •