Mahatsiaro Resy Lyrics | Rija Rasolondraibe OFFICIEL

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 25 ส.ค. 2024
  • MAHATSIARO RESY
    Mahatsiaro resy ny foko
    Lavitra Anao aho ka mitoloko
    Zatra ny tànako tantananao aho
    Ka very aho nefa izaho no nandao
    Diso taminao ity foko adala
    Ka mifona aho Tompo malala ô
    ooo Mamelà ahy, mba sasao ny fanahy
    Fa te hihaona Aminao aho
    Te hiray ao am-po toy ny teo aloha
    Ny teny fampanantenanao
    No hifaharako mafy ao am-poko ao
    Satria Ianao tsy miova
    Raha nantsoina handova
    Avelao mba ho anilanao
    Aza asorina ao anatiko ao
    Fa aoka ho ahy ny fanahinao
    Fafao ny hadalako
    Adinoy ny fahotako
    Fa te hihaona Aminao aho
    Te hiray ao am-po toy ny teo aloha o
    Na izany aza Tompo malala ô
    Ny fitahianao ho ahy tsy miala
    Faly aho satria ny Anao
    Ny fitia tsy miova fa ho doria
    Mba raiso re ity fideran’ity
    Fo nahazo famelana
    Indro atolotro indray izao
    Ny foko hiasa ho Anao
    Hiara-dàlana Aminao aho
    Tantano Tompo ny dia ho doria
    Ho doria
    Suivez-nous sur les réseaux sociaux
    Facebook | / rijarasolondraibeofficiel
    Instagram | / rijarasolondraibeofficiel
    Site web | rijarasolondra...

ความคิดเห็น • 3