CLIP FANENTANANA JMJ MADA X ANTSIRABE (TSY HIRA FANEVA)

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 3 ธ.ค. 2024
  • Ôhô (horakoraka), Ry Tanora namanay, havanay, miavia aby ê !
    JMJ MADA 10 « AN TSI RA BE »
    1. Androm-pahasoavan’ny tanora maro
    Ankalazaintsik’eto izao
    Andiany faha-folo, JMJ MADA Antsirabe
    Manasa sy manainga anao
    Tongava re ianao f’aza malaigny
    Tanora NAMAKO ô, aiza ianao ! (MITSANGANA)
    Mitsangana ry Tanora JMJ - ANTSIRABE - MADA DIX
    Mitsangana fa hataoko mba Ho’VAVOLOMBELON’IREO ZAVATRA EFA HITANAO
    Tanàna madio sy milamina tsara AVIA FA HO HITANAO
    Toerana maro manan-tantara AVIA FA HO HITANAO
    Ireo orin’asa voakarakara AVIA FA HO HITANAO
    Rehareha sy filamatr’ity Gasikara AVIA FA HO HITANAO
    RANOVISY, RANOMAFANA, samy eto an-tanàna
    TRITRIVA, ANDRAIKIB’ihany koa
    2. Haneho Finoana toa an’i Masina Maria
    Isika rehetra, ry Tanora namako ô
    EGLIZY miara-dia, m’ray hina, mifankatia sy miombona
    Ny herim-po anananao, herin-tsaina sy Fanahy no indro aseho
    Tanora HAVAKO ô, indro eo ianao ! (KA MITSANGANA)
    Mitsangana ry Tanora JMJ - ANTSIRABE - MADA 10
    Mitsangana fa hataoko mba Ho’VAVOLOMBELON’REO ZAVATRA EFA HITANAO
    Ireo toko telo maha-masa-nahandro AVIA FA HO HITANAO
    Ilay hafanan’Ingahibemasoandro AVIA FA HO HITANAO
    ‘Reo olo-mazoto sy vontom-pinoana AVIA FA HO HITANAO
    Mandray am-pitiavana sy ara-potoana AVIA FA HO HITANAO
    TSIKITSIKY, FO MAFANA, m’voha midanadana
    Eny, izao de izao de mandray anao
    Tanora namako ô TONGAVA IANAREO, Antsirabe efa vonona HANDRAY ANAREO
    Ny tany no mangitsy FA NY FONAY MAFANA, Mirary soa ho anareo HO SALAMA SY HO TAMANA
    Mitsangana ry Tanora JMJ - ANTSIRABE - MADA 10
    Mitsangana fa hataoko mba Ho’VAVOLOMBELON’REO ZAVATRA EFA HITANAO
    P. Jocelyn Bruno (Antsirabe), pour PRETRA MIKALO ANTSIRABE

ความคิดเห็น •