MOFONAINA 25 SEPTAMBRA 2024 - FJKM ISOTRY FITIAVANA

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 16 พ.ย. 2024

ความคิดเห็น • 5

  • @rajaonarisonnorotiana5184
    @rajaonarisonnorotiana5184 หลายเดือนก่อน +1

    HoAZY TOMPO irery ihany hatrin'ny taloha ka homandrakizay ny fahefana 🙏 Mankasitraka Pasteur Miarisoa t@tenin'Andriamanitra voazaranao anio Alarobia maraina 25/09/24 ,fa

    • @rajaonarisonnorotiana5184
      @rajaonarisonnorotiana5184 หลายเดือนก่อน

      manamafy ny fiorenan'ny finoan'A/tra tanteraka 💯 ny hafatrao tompoko, hoaminao sy ny ankohonanao,ary ny fitandremana entinao ny fiadanana mandrakizay 😇

  • @modestineramamiarivony6526
    @modestineramamiarivony6526 หลายเดือนก่อน

    Mankasitraka tompoko, mivavaka ho anareo, misaotra @ fampitana ny mofonaina, tahian'i JESOA tompoko

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb
    @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb  หลายเดือนก่อน

    HAFATRA
    Marka 5:33
    Ilay vehivavy narary 12 taona nandray fahasitranana avy amin'i Jesoa.
    Finoana fanasitranana tonga finoana nahavonjy.
    Miorina amin'ny finoana
    1- Tompon'andraikitra
    (nankeo Aminy)
    Nankeo: valin'ny antson'ny Tompo ho amin'ny famonjena "Mankanesa aty amiko..." (Matio 11.28). Voambolana mampifamatotra ny Mpamonjy sy ireo mila famonjena.
    Ny olona miorina amin'ny finoana dia mijoro ho tompon'andraikitra amin'ny tenany, tompon'andraikitra miseho fa tsy miafina.
    Sahy mamaly ny antson'ny Tompo eo imason'ny olona.
    FAMPIHARANA
    Mpino miafina any anaty vahoaka. Mpino mbola any an-damosin'i Jesoa.
    ANTSO
    Aoka ho tompon'andraikitra, sahia mijoro.
    Misehoa fa mitady anao ny Tompo.
    2- Manetry tena
    (niankohoka teo anatrehany)
    Nilatsaka teo anoloany.
    Fakena ny herin'i Jesoa.
    Fanehoam-panajana.
    Fihetsika milaza fibebahana.
    Ilay avy ao an-damosina tonga eo anoloana: fiovana fitodika izany.
    FAMPIHARANA
    Mpino tsy mivavaka, tsy miditra am-piangonana. Mbola misalasala.
    Tsy misy olona hoe miresaka ka any an-damosina fa tsy maintsy mifanatrika amin'izay iresahana.
    Tsy misy hoe mihaona fa any an-tokotany. "Mandrosoa dia hoe aoka aloha ho eto ihany!"
    ANTSO
    Miankohofa eo anatrehan'ny Tompo.
    Manatona azy amin'ny fanetren-tena.
    3- Mazava
    (nilaza ny marina rehetra)
    Tsy ampy ny miseho sy manetry tena fa ilaina ny fiainana mazava tsy misy an-takotakona. Izany no fibebahana marina.
    FAMPIHARANA
    Mpino mbola miafina ao ambadiky ny lainga.
    Mpino miaina amin'ny ampahan'ny fahamarinana.
    ANTSO
    Aza anafenana ny Tompo.
    Efa fantany rahateo ny momba anao.
    FEHINY
    Mpino miorina amin'ny finoana:
    Tompon'andraikitra amin'ny famaliana ny antson'ny Tompo amin'ny fo feno fanetren-tena sy amin'ny fibebahana marina.
    fjkmisotryfitiavana.org/fampianarana_toriteny/hafatry_mpitandrina/mofonaina-talata-25-septambra-2024-marka-525-34/

  • @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb
    @FJKMIsotryFitiavanaSiteWeb  หลายเดือนก่อน

    FANDAHARANA
    Sal 29,1;2
    Hira 15 /1.2.4 FFPM "Avia hankalaza..." (feo SAFIF na feo=6 ffpm)
    Vavaka
    Hira 208/1 (Ny Teny masinao, Torina...)
    Soratra Masina : Marka 5,25-34
    Hira 469/ 1,3 (Jesoa o M.maminay..) (Jesoa o M. Tompon'aina...)
    HAFATRA
    Vavaka+RZA
    FP4
    Hira 599/3 (Raiso,ry Tompoko ny fik...)
    TSODRANO.