Avia, ry Fanahy Masina ô_Hira Katolika Malagasy

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 30 เม.ย. 2024
  • Bienvenue sur notre chaîne TH-cam dédiée à la musique Catholique Malagasy ! Nous sommes ravis de partager avec vous une collection inspirante de chansons religieuses en provenance de Madagascar. Notre chaîne est là pour vous offrir un lien avec votre héritage spirituel.
    #HiraKatolikaMalagasy #HiraKatolikaMalagasy #Hirakatolikamalagasy
    Fiv : Avia, ry Fanahy Masina ô,
    Arotsahy re avy any an-danitra
    Ny tsirim-pahazavanao.
    1 - Avia re, ry Rain'ny malahelo,
    Mpizarazara fanomezan-tsoa ;
    Avia re, Mpisolo vava anay.
    2 - Avia, ry Mpanafaka alahelo
    Fa maminay e ny honenanao ;
    Avia re, Mpamelombelona o.
    3 - Fiadananay raha sendra ka mijaly,
    Fialofanay raha sendra maina andro :
    Avia re, Mpanambitamby anay.
    4 - Fenoy ny tsirim-pahazavanao
    Ny fon'izay rehetra mino Anao ;
    Avia re, ry Hasambaranay.
    5 - 'Zahay anie raha sendra ilaozanao,
    Dia zava-poana, feno fahotana ;
    Avia re, ry Mpankahery anay.
    6 - Diovy re ny fo 'zay feno ota,
    Ka tsofy rano tsy ho karankaina ;
    Avia re, sitrano ny fonay.
    7 - Lefaho re ny olona maditra,
    Ny matimaty ovao ho maimay ;
    Avia re, Mpanitsy dia anay.
    8 - Ireny fanomezanao fito :
    Omeo anay vahoaka mino Anao ;
    Avia re, matoky Anao zahay.
    9 - Omeo anay ny hatsaram-panahy,
    Ny famonjena nony miala ety :
    Omeo anay ny hasambaranao.
  • เพลง

ความคิดเห็น • 3

  • @fenosoarakoto336
    @fenosoarakoto336 หลายเดือนก่อน

    😇😢😢😭💔❤‍🔥❤‍🔥❤‍🔥❤‍🔥❤‍🔥......
    Lefaho re ny olona maditra,
    Ny matimaty ovao ho maimay ;
    Avia re, Mpanitsy dia anay
    Maditra tokoa ny olombelona eeh....

  • @SheikhArena
    @SheikhArena 2 หลายเดือนก่อน

    3:53 ❤❤🕊🕊🕊 4:52

  • @SipaKatolika
    @SipaKatolika 2 หลายเดือนก่อน

    Mankasitraka Tompoko