𝐒𝐎𝐋𝐘 - 𝐌𝐀𝐒𝐀𝐁𝐀𝐎 (Hivazo Samoëla 2020)

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 8 ก.ย. 2024
  • SOLY
    Dinta kely miraikitra anaty loha
    Mikiky malefa ny ati-doha
    Mahazaikazaika toa saribakoly
    No itiavako anao re ry kala soly
    Oh rahoviana vao hitako ianao
    Ilay manano « danse »,
    Na tratrako manao « théatre » hariva amin’ny « Alliance »
    Kizitina ery rehefa miasa maraina fa manao « stage »
    Mipetraka lava ao anaty biraon’i « Bourdon Voyage »
    Isan’andininy :
    Matimatin’i Soly aho
    Potipotik’i Soly
    Taratara amin’i Soly aho
    Revirevin’i Soly
    Hantahanta sy ditra ary koa hakamoana
    No maika nitiavako ana ore ry Kala-Soly
    Fa toy ny sakay tao anatin’ny rora
    Nankafihiziko ihany na mamoaka mony
    Oh rahoviana indray vao mba ho hitako ianao
    Ilay mi-« Jean » manga sy « pull » fotsy amin’ny tapany ambony
    Ary volo tsy mba mety lava
    Fa ho atolotro anao,
    Tononkiran’i Elie RAJAONARISON
    Sy ranomasina masirasira ao anaty balônina
    Fa nafoiko daholo ny zava-drehetra
    Efa i Soly no mamiko toetra
    Nafoiko daholo, ny hany fananako
    I Soly ihany koa no ivavahako
    Tonony sy Feony : Samoëla RASOLOFONIAINA

ความคิดเห็น •