KAROKA SY KETRIKA 06 JANVIER 2023

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 7 ม.ค. 2023
  • AROKA sy KETRIKA TVM
    ZOMA 06 JANOARY 2023 -17h 45
    ONIVERSITE FIANARANTSOA : « NY SOA FIANATSA RO MAHAVOKATSA »
    Hitodi-doha any Fianarantsoa ny fandaharantsika amin’izao fiandohan’ny taona 2023 izao . -
    Hoeny amin’ny Oniversite Andrainjato isika , dia ny Oiversiten’Andrainjato izay vao avy nandray ny lanonan-dehibe nametrahana tamin’ny toerany ny Filohan’ny Oniversite , Dr HDR HAJALALAINA Aimé Richard ny 10 desambra 2022 lasa teo . Nohararaotin’ny fandaharana ny fotoana nandalovana tany an-toerana namantarana ny dingana vitan’ity Oniversite ity eo amin’ny lafiny fikarohana . 45 taona niorenana izy,ary fanta-daza eo amin’ny famokarana avara-pianarana, manam-pahaizana,tomponandraikitra ambony amin’ny sehatra samihafa eto an-toerana sy any ivelany.
    Manao ahoana kosa ary ny lafiny fikarohana ?
    Ezahintsika hofantarina ao anatin’ny fandaharana vitsivitsy ireo , ka ny ao amin’ny FACULTE des SCIENCES no isantarantsika azy amin’ity fandaharana voalohany ity . Ny FACULTES des SCIENCES rahateo no nanokafana ny Oniversiten'Andrainjato 45 taona lasa izay tamin’ny alalan’ny lalam-piofanana MATHEMATIQUE . Nitombo taty aoriana ny sehatra anofanana tao amin’ity FACULTE ity ka nisy ireo lalam-piofanana hafa toy ny PHYSIQUE syn y SCIENCE de la VIE .
    Nisafidy ny « parcours professionnel en électronique et informatique industrielle » ao amin’ity faculté ity isika amin’ity fandaharana voalohany ity. Maro ny voka-pikarohana efa azon’ireo mpianatra amin’io sehatra io izay sady mamaly ny filàn’ny andavanandron’ny olona no mamaha olana eo amin’ny fampandrosoana .
    Famerenana Talata 10 Janoary 2023 - 11h 45

ความคิดเห็น •