Karaoke Gasy ITY HIRAKO ITY - Thiera Bruno & Aloma

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 25 ธ.ค. 2023
  • Karaoke Gasy ITY HIRAKO ITY - Thiera Bruno & Aloma
    #karaokegasy #gasykaraoke #tononkira
    Tononkira - Paroles - Texte - Lyrics
    Ity hirako ity dia atolotro anao
    Hahatsiarovanao ny anarako
    Raha ho lasa any ianao
    Ka ho lavitra ahy
    Veloma mandrapihaona
    Aza hadino lalandava
    Fa mpinamana isika
    Tsy mba nifankafoy tety
    Mpizara alahelo, mpizara hafaliana
    Izaho sy ianao hatramin’izao.
    Very namana aho nilaozanao
    Ka iza indray izao no antenaiko
    Hilazako ny manahirana ahy
    Hisolo ny toeranao
    Tsy ny elanelan-tany na ny fahalavirana
    No hampisy ny fanadinoana
    Fa raha sento tokana monja
    Ary tsiahy iray minitra
    Dia ampy hampiray antsika
    Koa raha manina ahy ianao
    Na te hanoratra
    Ny aty tsy miova adiresy
    Tsy miova fanahy, tsy miova fitia
    Fa miandry, miandry anao
    Thiera Bruno

ความคิดเห็น • 6