Karaoke gasy MEDLEY TAMBATRA REBIKA (Tsiaro an'i Rampal)
ฝัง
- เผยแพร่เมื่อ 9 ก.พ. 2025
- TAMBATRA MEDLEY - REBIKA
#karaokegasy #gasykaraoke #tononkira
Tononkira - Paroles - Textes
ENTO AHO
Ento aho, hanaraka anao aho
Mangina irery aho raha ilaozanao ka raiso
Tantano mba ho any aho
Miangavy mafy aho
Mitalaho fa te handeha
ANIROTRA
Ao mantsy i Dada
tototry ny vovon-tany
ny tenany angamba efa rava
Dada o onena onena anao aho
Ratsan-kazo misampana
no hazofijalian’i Dada
vovon-tany mivantana
tsy mba nofonosina
NANDALO
Variana niolakolaka
Ny tena izy toa lalao
Lany andro nifamolaka
Ka ny fotoana no nandao
Tsy hita izay marina
Isika koa moa zaza be
Tsy nety tafarina
Ireo tsy tia faly nihomehy
NOFY
Ny alina mangina
toa mampanembona ahy
Ny volana baliaka
mampifoha ny tsiahy
Tsy andriko ny ampitso,
hahita anao indray
Ka hiondanako eo an-tratranao,
hiangotiako aminao
ILAY TOKAKO
Any ianao ry 'lay tokana
Ianao re no herany
Andry iray iankinako
Toky hany itokiana
Lohataona manjombona
Fararano tomany aty
Fandriana mamanala anie
No hany sisa vantanina
Sento iray
tsy mba zaka hatelina
Manditsoka anaty
ka toa safomorona
Manomban-ko avy
indray izany orana
Kotsa lava izay
ilay tsy mahasaraka anao
ADIM-PANAHY
Tena natsiro reo niarahana
Asa enao raha nahatsiahy
Nadididtra aho eny tsy lavina
Tato ato aho vao mba fay
Fa rehefa hariva
mena vodilanitra iny
Dia efa malahelo
any aho izay oh oh oh
Rehefa alina
hamonjy ny fandriana
Mety efa mitomany
anao izay
Miantomboka indray
ny adim-panahy
MBOLA TSY MORA
Fa mbola tsy mora
ny hamaha
Ilay fatomatinay
Hatramin'izao aho
tsy mety mino hoe
Rava ny anay
Fa mbola tsy mora
ny hanova
Satria hatramin'izao
Mbola reko mamelovelo
ao ireo taloha
Mbola injao fa mieloelo
Fa tsy mety hifoha
TIAKO IZY 'efa misy)
Ho ataoko tsara karakara
F'efa anjara nomenao ahy
Mandrakizay
Fa raha ny anay
mafy orina
Tsy ho voarodana
Fitia tena matotra
Vita fatotra
LAVITRA LOATRA
Lavitra loatra akia
Ny any aminao
Tsy afaka hanidina aho
Mbola tsy hary elatra
Raha hitsambikana impiry
vao tonga any aminao
Hiazakazaka reraka ny aina
REBIKA