ISAORANAY (Bessa) - Cover Ginà-Malala-Ando

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 1 ก.พ. 2025

ความคิดเห็น • 32

  • @andriamanirakabetsiharifid2579
    @andriamanirakabetsiharifid2579 5 วันที่ผ่านมา

    Tsara be ❤

  • @andrianarisonnjato1667
    @andrianarisonnjato1667 4 ปีที่แล้ว +10

    Izay hinoako ho fahasoavana
    Nokatsahiko hatrizay
    Ny fahasambarana notadiaviko
    Ny bitsiky ny foko ao
    Ny tsiky iainan'ny fisiako
    Ny hehy irian'ny fifaliako
    Nomenao ahy daholo izany
    Tamin'ny androm-pahoriako.
    Fiv :
    Hisaoranay ianao
    Andriamanitra Tsitoha
    Ny fanahinay izao
    Injao miainga, tafafoha
    Ny talenta avy Aminao
    Mipololotra tsisy fetra
    Hisaoranay ny Anaranao
    Amin'ny andronay rehetra.
    Misy namana nitsabo
    Nositraninao fony narary
    Nampiononinao teny am-pamohizana
    Sy tamin'ny ora nampijaly
    Nomenao saina mahay mitraka
    Tamin'ny fotoan'ady
    Ny fitiavanao nandresy
    Tsy mba folaka angady.
    Voa tsinampy kely ihany
    Ny finoana izay ananako
    Nefa dia ho ezahiko mba hitombo
    Izany ary ho tanako
    Izaho izay, ilay manantena
    Omenao valiny tokoa
    Amin'izay fiainako ho avy
    Matoky Anao aho ao am-po.

    • @candelyraj3790
      @candelyraj3790 3 ปีที่แล้ว +1

      Mankasitraka indrindra amin'ny tononkira tompoko

    • @andrianarisonnjato1667
      @andrianarisonnjato1667 3 ปีที่แล้ว +1

      @@candelyraj3790 tsy misy isaorana e. sao mba tianao fa notsofiko sax ito hira tena tiako ito th-cam.com/video/LrCJft3NIL8/w-d-xo.html

    • @eriktsilavo7895
      @eriktsilavo7895 ปีที่แล้ว

      Mankasitraka nizara ny tonony tompoko. Manonona ny fiadanana ho anao sy ny ankohonanao !

    • @andrianarisonnjato1667
      @andrianarisonnjato1667 ปีที่แล้ว

      @@eriktsilavo7895 fiadanan'ny Tompo aminao sy ny ankohonanao ihany koa.

  • @nirinaramangasalama3265
    @nirinaramangasalama3265 3 ปีที่แล้ว +2

    Izay ratrantsika feriny. Isaorana Azy. Afaka mitraka. Mpandresy n'y Fitiavana. Omeny n'y talenta. Matoky an'Andriamanitra :-)

  • @fikalahy4176
    @fikalahy4176 2 ปีที่แล้ว +2

    Mankasitraka feno. Mitsaitsaika mahafinaritra.

  • @nirinaramangasalama3265
    @nirinaramangasalama3265 3 ปีที่แล้ว +1

    Isaoranay Ianao Andriamanitra Tsitoha. Isaoranay koa n'y Anaranao. Matoky anao Aho. Tafafoha n'y fanahinay. Misaotra Tompo :-)

  • @nofitinarabarisoa2808
    @nofitinarabarisoa2808 3 ปีที่แล้ว +2

    Ndriiii...tsara ery 🎼🎼❤❤

  • @nirinaramangasalama3265
    @nirinaramangasalama3265 2 ปีที่แล้ว +1

    Mipololotra n'y talenta nomen'Andriamanitra. Mitraka n'y saina satria nandresy n'y Fitiavany. Isaorana n'y Anarany. Hitombo n'y finoana s'y n'y fanantenana.💓

  • @leilarakotoson9820
    @leilarakotoson9820 3 ปีที่แล้ว +2

    Tiko be ny mihaino io hira feno fisaorana anAndriamantra lehibe io feno fahendrena, misaotra, Tompoko

  • @ainaratsisalovanina
    @ainaratsisalovanina ปีที่แล้ว +3

    Misaotra, mihaja tsara nanaovanareo azy, tsy simba ny fanahin’ilay hira.

  • @GIOVANNARANDRIA-zq5no
    @GIOVANNARANDRIA-zq5no 5 หลายเดือนก่อน

    Mahasambatra mihaino n'y hira voninahitra anie ho an Andriamanitra

  • @thierrydelarica7006
    @thierrydelarica7006 ปีที่แล้ว +1

    tiko loatra , mankasitraka anareo

  • @ratefiarivelooliarijao9044
    @ratefiarivelooliarijao9044 3 ปีที่แล้ว +1

    Tena tsara an!!! Misaotra!!!

  • @irianaandrianalimanana7106
    @irianaandrianalimanana7106 4 ปีที่แล้ว +1

    Tsara be! Voninahitra ho an'Andriamanitra

  • @dominiqueramiarisoa9630
    @dominiqueramiarisoa9630 3 ปีที่แล้ว

    27/08/21 Misaotra Bessa @ choix ny voix n'ireo mpihira surtout les 2 fa toa eo ihany koa i Bodo tsy dia ni-rouler ny "R" izy cette fois-ci! Merci pour la partage!

  • @zoharilalaherman358
    @zoharilalaherman358 3 ปีที่แล้ว +1

    tsara be! Mankahery e

  • @rolandrazonarison4483
    @rolandrazonarison4483 3 ปีที่แล้ว +3

    Antsonaléé , tena milay ilay interpretation. Misaotra rankizy a !!

  • @lunaandrea2786
    @lunaandrea2786 ปีที่แล้ว +1

    ❤❤❤

  • @tsitorandria8573
    @tsitorandria8573 3 ปีที่แล้ว +1

    Tsara loatra!

  • @mimisiku182
    @mimisiku182 2 ปีที่แล้ว +1

    Tena tsara msaotra indrindra

  • @nirinaramangasalama5868
    @nirinaramangasalama5868 8 หลายเดือนก่อน +1

  • @sarahrasoanarivelo1882
    @sarahrasoanarivelo1882 3 ปีที่แล้ว +1

    Tiko henoina fona ,mafinaritra b

  • @herimanitraranaivonantenai8287
    @herimanitraranaivonantenai8287 4 ปีที่แล้ว +1

    Mankasitraka indrindra

  • @ainatianaravelojaona8414
    @ainatianaravelojaona8414 5 ปีที่แล้ว +2

    matsiro be

  • @tsixtsix485
    @tsixtsix485 3 ปีที่แล้ว +1

    Tsara

  • @davelo778
    @davelo778 5 ปีที่แล้ว +2

    Misaotra e...

  • @spciherybota6925
    @spciherybota6925 ปีที่แล้ว +1

    tsara e

  • @harisoarajaonah3880
    @harisoarajaonah3880 3 ปีที่แล้ว

    Tsara loatra

  • @Letasona
    @Letasona 3 ปีที่แล้ว +1

    Misaotra e