EFA NASANDRATRA IZY - MEDLEY ( RIJA RASOLONDRAIBE )

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 25 ส.ค. 2024
  • NY LALANA TOKANA HANDOVANAO NY FIAINANA MANDRAKIZAY :
    * Mino hianao fa tia anao Kristy ka maty nisolo ny toeranao teo @ hazo fijaliana Izy (I Timoty 1 : 15),
    * Ary rehefa resy lahatra izany fitiavan’ Andriamanitra anao manokana izany hianao (Jaona 3 : 16)
    * Dia arahinao asa ny finoanao (Jakoba 2 : 24)
    - DIA IRETO NY DINGANA TOKONY HARAHINAO :
    * Miaiky ny fahotanao hinao (I Jaona 1 : 9),
    * Miala @ izany fahotanao izany (Ohabolana 28 : 13),
    * Mila mibebaka hianao (Lioka 5 : 32)
    * Mandray an'i Jesoa Kristy ho Tompo sy Mpamonjy anao manokana (Jaona 1 : 12)
    * Mampandroso Azy ao amponao (Apokalysy 3 : 20),
    * Manaiky Azy @ vavanao ary mino Azy @ fonao (Romana 10 : 9)
    * Ateraka indray hianao @ rano sy ny fanahy (Jaona 3 : 5 - I Petera 1 : 22 - 23),
    - TOMBOTSOA AZONAO VOKATRY NY FANOLORANAO TENA :
    * Lasa olombaovao hianao (II Koritiana 5 : 17),
    * Lasa zanak'Andriamanitra hianao (I Jaona 3 : 1)
    * Mandray ny Fanahy Masina hianao (Asan'ny Apostoly 11 : 15 - Romana 8 : 9 - 10),
    * Efa voasasa t@ ran'i Jesosy Kristy hianao, efa nohamasinina hianao, efa nohamarinina hianao (I Koritiana 6 : 11)
    * Tsy ho very intsony hianao (assurance du salut) fa tsy hoe raha sendra diso dia makany @ afobe indray satria ny Tompo mifona hoanao mandrakariva (I Jaona 2 )
    * Fa kosa izay zanaka tiana no faiziny (Apokaypsy 3 : 19)
    * Voasoratra any andanitra ny anaranao (Lioka 10 : 20)
    * Ary mandova ny fiainana mandrakizay hianao manomboka eo (Jaona 10 : 28)
    - VOKATR'IREO EO @ FIAINANAO :
    ( izay tokony ho hitan'ny manodidina anao )
    * Lasa mazoto mamaky baiboly isanandro hianao (Matio 4 : 4)
    * Tia mivavaka @ fotona rehetra hianao (Lioka 18)
    * Tsy menatra mizara ny filazantsara @ manodidina hianao (Romana 1 : 16)
    * Sahy mijoro vavolombelona @ fitondratena sy ny fiteny hianao (I Timoty 4 : 12)
    * Mazoto mamonjy fivoriam-bavaka sy fiangonana hianao (Hebreo 10 : 25)
    * Tia ny rahalahy rehetra na samy hafa finona aza izay handova ny fiainana mandrakizay hianao. (I Jaona 3 : 10)
    * Miova ny fiainanao (Efesiana 4 : 22 - 24)
    * Lasa mitombo @ finoana hianao ( Hebreo 5 : 12 - 14)
    - VITA IREO DIA MANARAKA HO AZY :
    * Ny fitahian'ny Tompo anao (Ohabolana 10 : 22 - Deoteronomia 28)
    * Sy ny fahasoavany omeny anao (II Koritiana 12 : 9)
    * Ny famindrampony omeny anao (Salamo 23 : 6 - Salamo 103 : 8) ,
    * Ny harena sahaza omeny anao hoetinao hanompoana Azy (I Samoela 2 : 7)
    * Sy ny fahasalamana omeny anao (Eksodosy 23 : 25)
    FANOMEZANA ( CADEAUX - DON) manaraka ho azy ireo rehetra ireo rehefa noraisinao ny FAMONJENA ( SALUT ) na tsy nangatahinao aza (Matio 6 : 8 - Matio 6 : 33)
    RAHA FITININA DIA :
    1- Ny finoanao fa tia anao loatra Jesosy ka maty nisolo anao teo @ hazo fijaliana (Galatiana 2 : 20 - Romana 5 : 8) no handovanao ny fiainana mandrakizay.
    2- Ny fanekenao Azy ho Tompo sy Mpamonjy anao (Romana 10 : 9) no dingana voalohany tokony hataon'ny tsirairay
    3- Ny HAFATRA ( message ) voalohany tokony hotorian'ny TENA mpitory ny filazantsara dia :
    - "Mibebaha hianareo fa efa akaiky ny fanjakan'Andriamanitra" (Matio 4 : 17 - Matio 28 : 19 - Marka 16 : 15) sy ny hoe :
    - "Hoavy Jesosy, vonona ve hianao ?" (Matio 24 : 44 )
    4- Raha nanomboka ny toriteniny i Jesoa (Marka 1 : 15) sy i Jaona Mpanao batisa (Lioka 3 : 8 - Jaona 1 : 29 ) ary ny Apostoly (Asa 2 : 38 - Asa 3 : 19) dia izao no nolazainy voalohany : « Mibebaha hianareo »
    5- Izany hoe tsy maintsy miala @ fahotanao hianao ( mibebaka ) vao handray ny fitahian'ny Tompo (Deoteronomia 28), Izy tsy mitahy olona mitoetra ao @ ota izany fa fitahiana avy @ devoly izany
    MIANDRY NY FANAPAHAN-KEVITRAO ARY NY TOMPO. RAHA TSY IZAO DIA RAHOVIANA ???
    Vatomandry 31 Jolay 2020

ความคิดเห็น • 7