Miambena - Pasteur Alain RAJESTERA
ฝัง
- เผยแพร่เมื่อ 7 พ.ย. 2024
- Toy ny inona ny hafaliako indray andro tamin'ny mbola kely, fa handeha fiara manidina voalohany ary hiampita ranomasina, 12 taona aho tamin'izay. Tena feno fahasambarana niditra ny fiara manidina, toy ny nanonofy.
Dia tsy misy hafa amin'izany ry havana ny andro iray izay hiverenan'i Jesosy hamindra antsika ho any aminy. Noho ny tsy fahafantaran'ny maro dia hoe : mampahatahotra be izany, fa ho antsika fiangonana, mpino ary mpanara-dia an'i Jesosy dia fahatanterahan'ny toky sy fampanantenan'Andriamanitra antsika io fotoana io.
Dia mba tahaka ny ahoana moa ny nanjo ahy raha tamin'ny ora farany dia foana indray ilay diako ho any an-dafy io na hoe : ny fianankaviana rehetra lasa fa izaho ihany no najanona ?
M I A M B E N A... izay no hafatra, mba tsy hisian'ny nenina dia enga anie mba samy hifankahita tava any isika sy ianao.