Rossy - Toerako nindraminy

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 20 ส.ค. 2024
  • Rossy - Toerako nindraminy
    Tianao be izy izaho nefa tsy foinao koa
    Izay ve no izy sa tahotry ny ho votsi-droa
    Androany aloha avy any ianao nanaram-po
    Ampy kosa izay mifidy ianao anio iray aminay
    Mangotika ny fo izany aloha tsy afenina
    Nitia ihany aloha ka aleo hialana nenina
    Ny foko na dia vy mba mety ho harafesina
    Fa mafy izany hoe tia kanefa ampirafesina
    Fa ny any hoy ianao tsy tena fitia fa kilalao
    Tsy haharitra izany fa matokisa fotsiny ihany
    AZA mandaingalainga eo ! tsy andrinao ny andro alarobia
    'Lay izaho rehefa tsy eo no lasa indray 'nareo mangala-dia
    'Lay rafiko iny aloha tsy tompony iny fa mpamerin-doha
    Tsy ialonako akory vao hitako fa tsy hahavita izay vitako (aminao)
    Inona koa moa no aminy fa toerako aza no indraminy
    Mbola ho alaiko any aminy an-keriny raha sanatria tsy averiny
    Fa toerako no indraminy
    Inona koa moa no aminy
    Fa sisako aza laniny
    Fa toerako no indraminy....

ความคิดเห็น • 57