Safidy - SLKAT

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 24 พ.ย. 2024
  • Raha nandinika ny fiainako taloha aho
    Ka ampitahaiko amin'ny ankehitriny,
    Dia samy hafa betsaka, ny taloha dia nandreraka.
    Nataoko avokoa ireo fomba fanao
    Ny fomban'izao tontolo izao
    Natao ny nentin-drazana, dia avy eo indray mivavaka
    Tsy fantatro akory fa lasa ny olona, dia lasa koa aho nandeha
    Hay ra tohizana tohizana ilay làlana, mankany @ afobe!
    Amboary aho Jeso
    Ka mamelà ny heloko Ianao
    Amboary aho Jeso
    Amboary ny fiainako
    Amboary aho Jeso
    Rakofy Ilay Fanahy Masinao hatrany
    Amboary aho Jeso
    Mba ho toy ny Fiainanao ny fiainako
    Efa tsy nahasoa ahy ny rehak'izao tontolo izao
    Tsy nahitako fahasambarana e
    Ka tapak'hevitra ho Anao
    Izay kely ananako no entiko hanaradia
    Efa làlana nandratra izao tontolo izao
    Tantano aho Jeso Kristy
    Ny fanjakana ara-nofo ety an-tany
    Manao izao fombafomba rehetr'izao
    Migoka, mifoka, miloka
    Mankafia ny haren'ny tany
    Ny Fanjakan'ny Fanahy ery ankilany
    Mamiratra fatratr'ery
    Misafidy ianao raha te-hiampita
    Ny tetezana tsy maintsy vita
    Ny tetezana ilaina anefa tsy misy fa ilay tenanao ihany
    Meteza aloha hibaboka, ny ota hadaraboka
    Dia hotafita ianao
    Amboary aho Jeso...

ความคิดเห็น • 13

  • @Mode-u4n
    @Mode-u4n 2 หลายเดือนก่อน

    Makasitraka tompoko ! Deraina ny tompo 💒💌💌💌🙏

  • @tokyrazafiarison3478
    @tokyrazafiarison3478 3 ปีที่แล้ว

    Jolay 2021

  • @sidoniejuster9119
    @sidoniejuster9119 5 ปีที่แล้ว

    Mankasitraka indrindra anareo Tompoko o!

  • @hanitrabarivola6000
    @hanitrabarivola6000 7 ปีที่แล้ว

    Izany tokoa Jesosy amboary ahy ho feno fahendrena avy aminao

  • @andorazafimbelo5739
    @andorazafimbelo5739 7 ปีที่แล้ว

    Efa ela aho no nitady an'ity hira ity!Tiko loatra!!!

    • @slkatfoibe1367
      @slkatfoibe1367  7 ปีที่แล้ว

      Misaotra anao mpankafia. Dia tahin'ny Tompo manokana ianao @ izay safidy tsara noraisinao

  • @hanitrabarivola6000
    @hanitrabarivola6000 7 ปีที่แล้ว

    Mirary soa ho anareo Slkat

  • @jemimarajaonarivony2960
    @jemimarajaonarivony2960 4 ปีที่แล้ว

    Mankasitraka indrindra fa tena tiako tyi hira tyi
    Raha mba te anjiva ny volume 1 sy 2 Slkat d aiza no mety aitana azy??

  • @0327-w6n
    @0327-w6n 7 ปีที่แล้ว

    aiza kay no mety ahitana ny playback original anty hira ity fa tena mafinaritra manohina ny fo. mamelona ny fanahy

    • @slkatfoibe1367
      @slkatfoibe1367  7 ปีที่แล้ว

      Misaotra anao mankafia.
      Manantona tompon'andraikitra ao @ EPP Andravoahangy II rehefa asabotsy manomboka @ 2 ora sasany

    • @tokyrazafiarison3478
      @tokyrazafiarison3478 3 ปีที่แล้ว

      raha nahazo ianao dia mba omeo fa tsy any mada!!

    • @fpvmfifohazanaallemagne1642
      @fpvmfifohazanaallemagne1642 หลายเดือนก่อน

      Izany hatsarana hira.
      🙏Fanahy Masina anie handrakotra antsika rehetra hatrany mba hahitantsika fasambarana @ fanarahana an'i Jesosy Kristy.