Marka 16: 15 - Toriteny Alahady (Lio. 1: 67 - 79)

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 29 ก.พ. 2024
  • Vakiteny: Lio. 1: 67 - 79
    67 Ary dia feno ny Fanahy Masina Zakaria rainy ka naminany hoe:
    68 Isaorana anie ny Tompo Andriamanitry ny Isiraely; Fa nitsinjo ny olony Izy ka nanao fanavotana ho azy,
    69 Ary nanangana tandro-pamonjena ho antsika Amin'ny taranak'i Davida mpanompony Izy
    70 (Araka izay nampilazainy ny mpaminaniny masina hatramin'ny fahagola),
    71 Dia famonjena antsika amin'ny fahavalontsika, sy amin'ny tànan'izay rehetra mankahala antsika;
    72 Manefa famindram-po amin'ny razantsika Izy Sady mahatsiaro ny fanekeny masina,
    73 Dia ny fianianana izay nianianany tamin'i Abrahama razantsika,
    74 Hanao izay hahazoantsika hanompo Azy tsy amin-tahotra, Satria afaka amin'ny fahavalontsika isika,
    75 Amin'ny fahamasinana sy ny fahamarinana eo anatrehany amin'ny andro rehetra hiainantsika.
    76 Ary ianao, ry zaza, dia hatao hoe mpaminanin'ny Avo Indrindra; Fa hialoha eo anatrehan'ny Tompo ianao hamboatra ny lalany.
    77 Hanome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin'ny famelana ny helony,
    78 Noho ny halehiben'ny famindram-pon'Andriamanitsika, izay hiposahan*'ny mazava avy any amin'ny avo ho antsika.[*Na: niposahan']
    79 Hamirapiratra amin'izay mipetraka ao amin'ny maizina sy ao amin'ny aloky ny fahafatesana, Hanitsy ny diantsika ho amin'ny lalam-piadanana.

ความคิดเห็น • 6

  • @miangalyandy2032
    @miangalyandy2032 4 หลายเดือนก่อน

    Amen Amen 🔥🔥
    Misaotra JESOSY tamin'ny Famonjenao anay ho Anao Dera sy Laza ary Saotra Alléluia

  • @louistterasoanindrina8738
    @louistterasoanindrina8738 5 หลายเดือนก่อน +1

    VONINAHITRA HO AN'ANDRIAMANITRA IRERY IHANY . Mankasitraka indrindra pasteur . AMEN

  • @June21013
    @June21013 3 หลายเดือนก่อน

    Misaotra indrindra Pastora. Ho velon'ny finoana an'i Jesosy Kristy anie isika rehetra.

  • @user-ip7qe9nn7h
    @user-ip7qe9nn7h 5 หลายเดือนก่อน

    Misaotra indrindra pasteur dia ho tahin'i Jesoa hatrany !

  • @estilefoucu3906
    @estilefoucu3906 4 หลายเดือนก่อน

    Jesosy Tompo o tantano aho hanao ny sitrakao , Ianao no heriko sy lalako Âme !

  • @AngeliqueADAME-kz3vf
    @AngeliqueADAME-kz3vf 5 หลายเดือนก่อน

    Misaotra jesosy