TSY AFOINY - Ny AMBASAdôrà (Lyrics)

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 9 พ.ค. 2023
  • 💗TSY AFOINY - Ny AMBASAdôrà💗 (Lyrics)
    Mahatsiaro ho resy ve ianao
    Feno hakiviana anatinao
    Reraka avokoa ny fo sy fanahy
    Kely finoana ka be ahiahy
    Ny olon-drehetra efa nandao
    F'angamba aho no sisa, hoy ianao
    Ho aiza moa aho, ho aiza moa aho,
    hoy ianao raha mitalaho
    Nefa dia misy mihaino tokoa
    Ny vavaka ataon'izay marina am-po
    Tsy mba manao tsinontsinona
    Izay fo mangorangoraka mino fa hay
    Misy Mpamonjy azo hianteherana
    Mahalala ny hevitra iheverana
    Ahy sy ianao ao an-danitra ao
    Izy no momba anao
    Na mahantra na ory, mangahiahy
    Tsy afoiny tsy akory, aza manahy
    Ny zanany asan'ny tanany, dia aoka ho adidiny ihany
    Ny tanany tsy fohy fa mahavonjy
    Raha mino Azy ianao, tsy ho resy intsony
    Izy no hiady ny adinao
    Izy no hiady ho anao
    Nefa dia misy mihaino tokoa
    Ny vavaka ataon'izay marina am-po
    Tsy mba manao tsinotsinona
    Izay fo mangorangoraka mino fa hay
    Misy Mpamonjy azo hianteherana
    Mahalala ny hevitra iheverana
    Ahy sy ianao ao an-danitra ao
    Izy no momba anao
    Na mahantra na ory, mangahiahy
    Tsy afoiny tsy akory, aza manahy
    Ny zanany asan'ny tanany, dia aoka ho adidiny ihany
    Ny tanany tsy fohy fa mahavonjy
    Raha mino azy ianao, tsy ho resy intsony
    Izy no hiady ny adinao
    Izy no hiady ho anao
    Izy no hiady ho anao
    Hiady ho anao
    Hiady ho anao
    🤜🏻
    A/C : Mahery A.
    #LyricsbyKalo

ความคิดเห็น •