Vakoka: Lasin'ny skoto Protestanta Malagasy tamin'ny Aogositra 1951

āđāļŠāļĢāđŒ
āļāļąāļ‡
  • āđ€āļœāļĒāđāļžāļĢāđˆāđ€āļĄāļ·āđˆāļ­ 1 āļŠ.āļ„. 2024
  • ðŸŽĨ Horonantsary mampiseho ny fihaonan'ny Skoto Protestanta Malagasy tamin'ny Aogositra 1951, feo lafika amin'ny teny malagasy ðŸ‡ē🇎
    Loharano: Archives dÃĐpartementales du Val-de-Marne archives.valdemarne.fr/pajep-...
    Traduction et voix-off : Mi-Tily Serasera
    Hijery horonantsary miavaka ianao, notsoahina tamin’ny tahiritsarin’ny ÂŦ ÃĐclaireurs et eclaireuses unioniste de France Âŧ
    Ity horonatsary ity dia notontosaina tamin’ny taona 1951 ary voatahiry amin’ny arisiva ao Val de Marne, tafiditra tao anatin’ny PAJEB
    Maneho antsika ny lasy niraisan’ny ÂŦ ÃĐclaireurs protestant Âŧ teto Madagasikara ny volana Aogositra 1951.
    Ny skoto ÂŦ Eclaireurs Unionistes de France à Madagascar Âŧ dia niforona ny taona 1924 tamin’ny alalan’i filoha Jean Beigbeder izay lasa filohan’ny Scoutisme Français.
    Ny lasy nasionaly voalohany notontosain’ny Eclaireurs Unionistes de Madagascar dia natao ny volana Aogositra 1951 teny Ivato, Antananarivo.
    Nahavondrona skoto 500 avy amin’ny lafivalon’ny nosy.
    Tamin’ny taona 1947, no niova ho ÂŦ Tily Âŧ izay midika hoe ÂŦ mpiambina Âŧ ny anaran’ny Eclairaurs Unionistes de Madagascar. Tao aorian ‘ny tabataba 1947 izay hetsika fanoherana ny fanjanahantany.
    Teto Antananarivo tao amin’ny Foyer ChrÃĐtien des Jeunes gens no fampivondronana vao nanainga ho amin’ny lasy
    Tao amin’ny ny Foyer tao Antsahamanitra ny Tily, voatokana ny taona 1951. Tamin’ny feon’anjomara no niantsoan’i Chef Randria ny fivoriana. Samuel Randria, 41 taona eto amin’ny sary, teraka tany Fianarantsoa. Nianatra tao amin’ny Mission LuthÃĐrienne AmÃĐricaine de Fort-Dauphin. Nahazo ny mari-pahaizana Certificat de l’enseignement du second degrÃĐ, izay diplaoma ambony indrindra ho an’ny malagasy tamin’izany ary niasa tamin’ny sehatry ny fampianarana.
    Skoto nanomboka ny taona 1930, efa Filoha (Commissaire Eclaireurs) nanomboka ny 1941 ary nanokana ny fotoany ho amin’ny skotisma nanomboka ny 1944.
    Miantso fifamoriana indray Chef Randria ary arahana fampiakaran-tsaina. Misokatra ny lasy.
    Manangana tanana avy hatrany ny mpilasy
    Atsangana ireo tranobongo 80 amin’ny alalan’ny teknika fanaovana koja, mampiasa hazo mimoza, mololo sy zozoro ary taretra sy raphia. Samy nitondra ny fitaovana avy amin’ny faritra nihaviany avy ireo mpilasy.
    Mandritra ny fotoana hilasiana, ny tranolay sy ny sakafo dia miaina amin’ny zava-misy tanteraka.
    Ny vary no foto-tsakafon’ny Malagasy. Eto Imerina, ireo fianakaviana sokajiana ho manan-katao dia mihinam-bary In-3 isan’andro.
    Mitsimpona vary aloha ireo tily, izay vary efa voatoto mba hanalana ny akotry sy hai-dratsy.
    Andrahoin’izy ireo anaty vilany be avy eo. Mipetraka eo ambony tsihy, samy mihinana ny variny miaraka amin’ny laokany avy.
    Natolotry ny orinasa Malaisie, orinasa frantsay ny vary nohanina tao an-dasy.
    Avy nisakafo dia misy fiatona kely, mandeha ny fitsidihana ireo trano rava sady mihinana fary, fotoanany rahateo
    Andro fanokanana
    Ny alahady 5 Aogositra 1951 no fanokanana amin’ny fomba ofisialy
    ireo faritany tonga nanatrika : DiÃĐgo- Mahajanga- Tomasina- Vatomandry- Soavinandriana - Arivonimamo - Toliara - Fianarantsoa -Ambalavao - Manakara- Farafangana - Fort- Dauphin sns
    Ireo Tily 500 isa dia niroso teo anatrehan’ireo filoha isam-paritany.
    Ny isan’ireo mpilasy nanatrika dia azo lazaina ho maro ihany, araka ny faritra nihaviny avy : ireo Betsileo 105 tily, Toamasina 35, DiÃĐgo 12, ry zareo avy any Atsimo-Andrefana dia tonga niaraka tamin’ny osy manamarika ny faritra misy azy.
    Misy sokajy 1 sady hahitana malagasy no hahitana vazaha eropeana na metisy. Fa mitokana hatrany ny vahiny sy ny zanatany.
    Ny fotoam-pivavahana dia notaritin’i Pastora J. Vernier, Filohan’ny hetsika eto Madagasikara
    Ny fankalazana ny tenin’Andriamnitra dia natao ankalamanjana voadidin’nireo kininim-potsy, tarihan’ny Mpitandrina Jacques Vernier Filohan’ny Champ de Mission EvangÃĐlique de Paris fantatra eto Madagasikara aamin’ny MPF Mission Protestante Française
    Eo amin’ny lohalarahan’ny fivoriam-bavaka, Marc AndrÃĐ Ledoux Chef Mamy, teny malagasy midika hoe Doux
    Taorian’ny fianarana tao amin’ny Oniversite HEC teoa amin’ny Faha 22 taoanany Marc AndrÃĐ Ledoux dia nisafidy ny ho lasa mpitandrina.
    Ny volana Aprily taona 1947, ny Commissaire du Mouvement Unioniste, Maurice Caustile, nanome sosokevitra azy ny handeha ho aty Madagasikara.
    Ledoux sy ireo ekipa malagasy no miara-miombon’antoka, hampandroso sy hampahaleo-tena ny skotisma malagasy.
    Anisan’ireo filoha mpitarika Paul Rakoavololona 30 taona, nanatanteraka ofana tany Frantsa. Izy no Sekretera Jeneralin’ny hetsika no mpandrindra voalohany ny lasy.
    Jerena ny endriky ny fanevan-tsokajy, ny fandrindrana ny fandrahoan-tsakafo.
    Mahasarika ny mpandalo eto Antananarivo ny fisian’ny lasy izay nahatratra hatramin’ny 10.000.
    Anatin’ireo misy ireo tompon’andraikimpanjakana vazaha mpjanaka sy misionera

āļ„āļ§āļēāļĄāļ„āļīāļ”āđ€āļŦāđ‡āļ™ • 1

  • @nirinaramangasalama5868
    @nirinaramangasalama5868 5 āļŦāļĨāļēāļĒāđ€āļ”āļ·āļ­āļ™āļāđˆāļ­āļ™

    Mankasitraka âĪ