TSY HIOVA INTSONY - TSIARO - [CLIP OFFICIEL]

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 9 ก.พ. 2025
  • 1-Angamba tsisy hahay tokoa
    Ny hidify ny atsonao, ny hanova izay voalahatrao
    Tsy vitsy ireo niseho mafy fo
    Nefa indreny nanaiky tsotra izao
    2-Toy izaho ilay sakaiza indrindran’izao tontolo izao
    Nantsoinao ka tonga voarindra toy ny voaharinao
    Tsy iriko intsony ireo famindra izay tsy avy aminao
    Nefa tsy ho vitako, fa mila Anao
    3-Toy izaho ilay tsy Hendry indrindra
    Novainao ka tonga mirindra
    Tsisy haiko intsony ireo famindra izay tsy namboarinao
    Mankasitraka e, Misy Ianao
    Ref:
    Ka mila Anao aho raha nofidinao ho mahatoky
    Tsy aiko ny ho lafatra toa Izy Jesoa Zoky
    Inty ho Anao aho koa mankasitraka matoky
    Tsy hiova intsony aho… noho Ianao
    Fa mila Anao aho raha nofidinao ho mahatoky
    Tsy aiko ny ho lafatra toa Izy Jesoa Zoky
    Inty ho Anao aho koa mankasitraka matoky
    Tsy hiova intsony aho… ho Anao
    Ou hou hou ou hou
    Tsy hiova intsony aho, noho Ianao…
    Ou Hou hou ou hou
    Tsy hiova intsony aho, ho Anao …
    Interlude…
    4-Ny hamoka-tsoa, no irin’ny foko
    Koa ireny adisoako, nafoiko avoko Ou ou Ou ou ou…
    Ny hahatoky moa, fanambiko tokoa
    Hahafaly Anao Tompo, sy ny hafa koa
    Ny hamoka-tsoa, no irin’ny foko
    Koa ireny adisoako, nafoiko avoko
    Ny hahatoky moa Ou ou Ou, fanambiko tokoa
    Nefa tsy ho vitako,
    Fa mila Anao aho
    Ref: …
    Ou hou hou ou hou
    Tsy hiova intsony aho, noho Ianao…
    Ou Hou hou ou hou
    Tsy hiova intsony aho, ho Anao …
    5-Inoako Ray
    Rehefa injay
    Mipaika Ilay
    Tinendrinao ho anay
    Ho anisany aho
    Ilazanao
    Hoe midira amin’ny fifalian’ny Tomponao…

ความคิดเห็น • 1

  • @mamyraoby
    @mamyraoby ปีที่แล้ว

    Mahafinaritra kosa ilay style vaovao amin'ny hira evangelique an