MAHARAVO - TSIARO [CLIP OFFICIEL]

แชร์
ฝัง
  • เผยแพร่เมื่อ 9 ก.พ. 2025
  • Nikatsakatsaka ny mahasoa anie aho e !
    Niazakazaka tetsy sy eroa ka lavo e
    Ny hany mba hita tsy nahafapo
    Tao ny vao mainka nakarary andoha
    Vaka ny saiko, moa mba ahita maharavo e ?
    Niketriketrika ho mena ambonin’ny mena
    Niezakezaka tamin’ny herin’ny tena
    Ny hany mba vita tsy nahafaly fo
    Toa zava-poana ilay narary an-doha
    Eken’ny saiko fa ao aminy ao no maharavo e !
    Raha hitady maharavo ay,
    Tsy hitanao any ho any…
    Raha hitady maharavo fo
    Dia ao aminy ao ay, ihany
    Raha hitady maharavo ay,
    Tsy hitanao any ho any…
    Raha hitady maharavo fo
    Dia ao aminy ao ay, ihany
    Ka nohadinoiko ireo izay efa nandrin’ny saiko
    Ary nohenoiko Ilay iray izay tsy mba nolalaiko
    Toa lalan-tery nefa tsy manery
    Zato isan-jato, inoako tsy hahavery
    Lavin’ny saiko izao izay mety mandavo e !
    Izay no ao aminy ao ouh
    Mahalala ny tokony atao ouh
    Tsy very mandeha, na lavitra na akaiky no aleha,
    Na mafy manjo, mbola afa-miravo hatrany ny fo
    Izay no ao aminy ao ouh
    Mahalala ny tokony atao ouh
    Na aiza no aleha dia tsapanao fona fa misy miambe
    Na sendra manjo, tony, miravo hatrany ny fo
    Interlude…
    Izay no ao aminy ao
    Mahalala ny tokony atao
    Tsy very mandeha, na lavitra na akaiky no aleha,
    Izay no ao aminy ao
    Mahalala ny tokony atao
    Na aiza no aleha dia misy miambe

    Na sendra manjo, tony, miravo hatrany ny fo...

ความคิดเห็น •