𝐅𝐞𝐬𝐭𝐢𝐯𝐚𝐥 𝐝𝐞𝐬 œ𝐮𝐟𝐬 𝐚𝐧𝐝𝐢𝐚𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐡𝐚𝐭𝐞𝐥𝐨: 𝐭𝐨𝐡𝐚𝐧𝐚𝐧𝐚 𝐧𝐲 𝐟𝐚𝐦𝐨𝐤𝐚𝐫𝐚𝐧𝐚 𝐚𝐧𝐚𝐭𝐢𝐧𝐲
ฝัง
- เผยแพร่เมื่อ 11 ธ.ค. 2024
- Tontosaina ao Antanetibe Mahazaza ny zoma 18 hatramin'ny alahady 20 oktobra 2024 ny "Festival des oeufs", andiany fahatelo, hetsika izay eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana.
"Tohano ny famokarana anatiny ho fampandrosoana an'i Madagasikara", izany no teny filamatra nosafidiana, hifanentanana ho an'ity andiany ity, satria hita sy tsapa fa miainga amin'ny famokarana anatiny sy eny ifotony no hisian'ny fampandrosoana an'i Madagasikara. Omena lanja manokana mandritry ny hetsika araka izany ny famokarana anatiny eto Madagasikara.
"Fanoitra lehibe ho an'ny fampandrosoana ny sehatry ny fiompiana, ary atao laharam-pahamehana. Ny fiompiana akoho sy ny famokarana atody dia anisan'ny seha-pihariana afaka mampivoatra ny toekarena . "Miantoka amin'ny fanjarian-tsakafo ihany koa ny sehatry ny fiompiana satria avy amin'ny vokatry ny fiompiana avokoa no tena ahazoana ny proteina hahafahan'ny vatana mitombo", hoy ny nambaran-dRamatoa Tale misahana ny fanohanana ny famokarana ara-piompiana sy ny maha-biby na ny "Direction d'Appui à la Production et au bien-être animale", RAZAFIMPAMOA Lucile, izay nisolo tena ny Minisitry ny Fambolena sy ny Fiompiana tany an-toerana.
Mamokatra atody manodidina ny 300 000isa isan'andro ny kaominina Antanetibe Mahazaza ary saika avy ao an-toerana avokoa ny atody miparitaka ao Antananarivo renivohitra, midika izany fa seha-pihariana iankinan'ny fiainan'ny tantsaha sy mpiompy maro ny famokarana atody sy ny fiompiana akoho.
Hisy hatrany moa ny ezaka izay hataon'ny MINAE miaraka amin'ireo mpiara-miombon'antoka amin'ny fanatsaràna ny sehatry ny fiompiana eto Madagasikara sy ny fampitombona ny fihinana atody.
Ministère de l'Agriculture et de l'Elevage
#festival_des_oeufs
#Antanetibe_Mahazaza