CHANTAL OCCASION | Lyrics Vidéo by TARK'art
ฝัง
- เผยแพร่เมื่อ 26 พ.ย. 2024
- CHANTAL OCCASION | Lyrics Vidéo by TARK'art
#chantal #lyrics #tarkart
"Hialana tsiny raha misy diso ny tonon-kira fa tamin'ny alalan'ny fihainoana no nandikana an'ilay texte. Misaotra "
Tononkira :
CHANTAL - OCCASION
Asa Ianao raha toa mahatadidy
an'ilay nihaonantsika roa
Taitra tampoka fa voasarika
Nidoboka ny fo
Misy hery nanintona mafy
amin'ny masonao mijery
Lasa menatra aho, saro-kenatra be
tsy nasahy niteny
REF : Potipotika sy tara aho oo
Nahita an'ilay hatsarany, tsy naray lamba ahoo
Tsy nahita ny lalan-kombana
Nefa izy ange ka (mpandalo)*2
Ka inona ny azoko hatao mba
ahafahako indray tafahaona aminao
Fa dia manantena occasion
Ahafahako izara fitiavana ee
Occasion, iondakondanako ankilanao o
Occasion, ahafahako anome fitiavana ee
Occasion, mba tsy ho nofinofy ny antsika ro e
Ny zavatra tena tsy aritro tamintsika roa nifanena
Taitra ianao dia nivaralila dia gitara notendrena
Tafimehy aho ka tsy naharitra dia nitodika kely
Noheveriko fa nde hanantona, izaho efa nanantena
REF
Ekeo na dia sombitsombiny na potipotiny aminao any,
Tsy maninona fa aleo iaretako kely ... number one
Antsika sy anaomalala an'izany
Ataotsika tsy ambara roa
Raha resaka mpialona aleo izy ho any
Fa ny antsika roa no masahina aloha
Fa dia manantena occasion
Ahafahako izara fitiavana ee
Occasion, iondakondanako ankilanao o
Occasion, ahafahako anome fitiavana ee
Occasion, mba tsy ho nofinofy ny antsika ro e
Occasion
(Tonga dia occasion)x3
Nandika : TARK'art